airtel

Politique

29-mai-2026

FANAVAOZANA NY FIFIDIANANA

Fanovàna rafitra no izy

Sample post image

fa tsy fanoloana olona fotsiny

29-mai-2026

Nosokafana tamin'ny fomba ofisiaky omaly teny amin’ny CCI Ivato ny atrikasa savaranonandro ifanakalozan-kevitra mialohan’ny fikaonan-doham-pirenena mikasika ny fanavaozana ny didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana eto Madagasikara, notarihin’ny CENI niaraka tamin’ny Ministeran’ny Misahana ny Fanavaozana sy ny PNUD. Nanatrika izany ireo tompon’andraiki-panjakana sy mpiara-miombon’antoka maro samihafa, Tanjona ny hanaovana ampamoaka amin'ireo olana tamin'ny fifidianana rehetra nisy teto Madagasikara hatramin'ny Repoblika Voalohany ka hatramin'izao andro izao. Ho raisina ihany koa ireo soso-kevitra avy amin'ny mpandray anjara rehetra ho entina any amin'ny Fikaonan-doha-pirenena izay hanomboka atsy ho atsy. Resadresaka aloha no tena nisy omaly, miandry ny tena fanavaozana sy fanovana izahay hoy ireo mpandray anjara tahaka ny MMM tarihan'i Hajo Andrianainarivelo. Ny resaka fifidianana hatrany no fototry ny olana nitarika krizy nanimba firenena teto koa mila zavatra matotra sy mipetrapetraka tsara izahay hoy ireo mpanao politika teny amin'ny CCI omaly fa tsy sanatria ho fahanan-dresaka fotsiny. Fanovana rafitra mihitsy no takiana fa tsy fanoloana olona tompon'andraikitra fotsiny. Inona no rafitra apetraka eto mba ahazoana antoka fa mizotra araka ny tokony ho izy ny fanisana mpifidy, fandrafetana lisi-pifidianana, fanatanterahana ny fifidianana, fanisam-bato, fanangonana ny vokatra ? Ho hita eo moa izayfehin-kevitra ho tapaka amin'ny fifaranan'ity atrikasa ity.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

29-mai-2026

ny vahoaka na ireto depiote forongony!"

Card image cap
29-mai-2026

Ho kandida amin'ny fifidianana izay ho

Card image cap
28-mai-2026

Mitety ireo Fokontany 192 maka ny hevitry ny vahoaka

Card image cap
28-mai-2026

an’ilay politika efa nampahantra ve?»

Card image cap