Lola Rasoamakamaro, Mahavita Sylvestre, Djavojozara Jean Luc, Andrianandrianina Voahangy, Philippe François,… ireo no voarakitra tao anatin’ny didim-panjakana manafaka ireo gadra politika nataon-dRajoelina nialohan’ny nitsoahany. Zava-dehibe aloha ny fanafahana ary arahabaina ireo tafavoaka tao anatin’izany. Andaniny, mbola maro ireo olona heverina fa nogadraina tamin’ny politika sy tsy ara-drariny mbola tavela any am-ponja. Mbola nisy mizana tsindrian’ila ka nafahana ny vazaha fa ny Malagasy mbola maro no milentika any ka tambin’ny fanavotan’ny Frantsay sy sarintsarim-pampitoniana ve no tena antony ? Anisan’izany ohatra i Aina Marie BCM Razafindrakoto izay dosie iray tamin'ny Apollo 21. « Ary toa adino i Aina Marie RAZAFINDRAKOTO, nefa navotsitra daholo ireo tamin’ny Apollo 21 na izay nahazo sazy mavesatra indrindra aza ? Ho anareo ilay izy fanadinoana kely aminay fianakaviana ilay izy 4 taona tsy misy vady, tsy misy ray, tsy misy zanaka, tsy misy rahalahy. Sao dia mba ampy izay, sa mbola misy ambiny kely tianareo ambara ? », hoy Rtoa Gina Rajaobelina afak’omaly naneho ny alahelony, tao amin’ny tambajotran-tserasera. Tahaka izany ihany koa ny ny mpandraharaha Danny Rasolofomanana (gemstone) izay nogadraina efa roa taona teo ho eo. Jean Luce Randriamihoatra izay nolazaina fa niditra antsokosoko tamin’ny tranonkalan’ny CENI tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo, Stan'Ley Ramarivelo izay nolazaina fa nitondra kaonty facebook maniratsiratsira fitondrana ka efa an-taonany maro nogadraina. « Tena hoe tsy manana rà Malagasy mihitsy ve? Manome famelàna dia mbola manome vahana vahiny foana satria any no misy tombotsoa. Dia ny vava nefa dia maika mihintsy miteny hoe Tia Tanindrazana nefa ny mpiray tanindrazana atao ankilabao. Tsy olana e, aleo fa ho avoakanay ny rahalahanay sy ireo gadra politika hafa mbola tavela any. Aina marie, Danny,, Stanley, Jean Luce, Lova R.... », hoy i Tahina Razafinjoelina omaly. Anisan’ny mbola adino any koa aza ry Andry Andriatongarivo vadina minisitra teo aloha izay nogadraina rehefa nanao ampamoaka samihafa, Bearinirina Marcellin izay nenjehina ho nikasa hamosavy ny zanaky ny Filoham-pirenena. Mbola any ihany koa ireo tanora 5 nogadrain-dry Lalatiana Rakotondrazafy tamin’ny resaka fitorahana angidimby sy horakoraky ny vahoaka tany Alarobia Vatosola,.. Hatramin’izao aza raha ny loharanom-baovao azo dia mbola misy tanora nosamborina tamin’ny andron’ny hetsika fotsy mbola gadraina any am-ponja. Olona tokony handray andraikitra eto amin'ny firenena kanefa gadraina tsy ara-drariny noho ny tsy fitovian-kevitra politika. Efa nilentika ny sambo vao niresaka fifamelana Rajoelina, saingy mbola nasiany fiangarana. Nilaza ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Mickael omaly, fa havoaka daholo ireo gadra politika, mba hisian’ny fifampitokisana sy fihavanana ho an’ny rehetra, izay tena zava-dehibe heverina fa hanafaka ireo maro heverina fa nofonjaina noho ny hevitra tsy mitovy.
Toky R