airtel

Politique

16-janv-2024

Fanemorana fifidianana, kajy politika maloto

Viraviraina amin’izay maha metimety ny lalàmpanorenana…

Sample post image

Hiditra ho herinandro izao no fahalanian’ny fe-potoana iasan’ny ben’ny tanàna manerana ny Nosy,

16-janv-2024

izay ahitana kaominina miisa 1695 eo ho eo. Tsy mbola nisy aloha hatreto ny didim-panjakana manalava ny fe-potoana iasan’izy ireo ka asa na hotanterahana amin’ity herinandro ity izay hisian’ny filankevitry ny Minisitra taorian’ny fanendrena ny governemanta amin’ny endriny vaovao. Betsaka ny ahiahy momba ny fampandehanan-draharaham-panjakana eny anivon’ny kaominina. Toa tsy rototra amin’izany anefa ny mpitondra Fanjakana, izay mbola somokotra amin’ny kajy politika maro samihafa. Ny ben’ny tanànan’Antananarivo aza efa «nipitsika » teo anivon’ny CUA, ary lasa nitsotsotra any amin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana. Iza no hatao PDS hisolo azy ? Mbola ny fifidianana depiote aza no kasaina hatao voalohany hikendrena ny maro an’isa eo anivon’ny Antenimierampirenena. Ny loharanom-baovao tsy ofisialy avy any anatin’ny Fitondrana dia milaza fa ny volana aprily izao no hanaovana ny fifidianana solombavambahoaka ary ny jolay ny kaominaly, raha tsy misy ny fiovana. Midika aloha izany io, fa azo hitsakitsahina ny lalàna rehefa ho an’ny tombotsoa politikan’ny mpitondra, fa atao litania ny fanarahana azy rehefa ho amin’izay tombotsoany izay hatrany. Azo atao ny manemotra sy tsy mikarakara fifidianana ben’ny tanàna izay efa lany taom-piasana, fa natao amboletra sy nanaovana kiribiby ny fifidianana filoham-pirenena na teo aza ny fitakiana samihafa amin’ny tokony hanatsarana sy hanadiovana izany. Novoizina mafy fa lany taom-piasan’ny Filoha, ka tsy maintsy mifidy Filoham-pirenena vaovao, kanefa io miharihary io, fa ny fifidianana ben’ny tanàna toa dinganina. Marina fa misy ilay lalàna momba ny fampitomboana ho 5 taona ny fe-potoana hiasan’ny ben’ny tanàna, izay miandry ny pitsopitsony toy ny fankatoavan’ny HCC sy didy fampiharana, saingy mbola tsy mihatra amin’ireo ben’ny tanàna sy mpanolontsaina ankehitriny io (Non-rétroactivité de la loi) fa amin’izay ho ben’ny tanàna lany manaraka eo. Mbola voafaritry ny lalàmpanorenana araka ny andininy faha-154 amin’ny lalàmpanorenana ihany koa ny fifidianana Filohan’ny faritra sy mpanolontsaim-paritra, izay novain’ny Fitondrana Rajoelina ho governora. Hanaja ny lalàna sa mbola handeha amin’ny kitendritendry sy kinamanamana ihany koa ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap