avy ao amin’ny HCDDED na ny Filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny Fanjakana tan-dalàna ny andron’ny omaly. Tsara ny manamarika fa miisa 4 ireo Solontenan’ny HCDDED ao amin’ny HCJ, ka anisan’ireo Rtoa Giséle Ranampy Minisitry ny asam-panjakana teo aloha sady vadin’ny Filohan’ny CENI, Fenosoa Ramarokoto, Emile Rakotondrainy Herimandimby, ary Zafilaza Rajaona. Raha tsiahivina, natao hitsarana ireo mpitondra ambony toy ireo filohana andrim-panjakana sy mpikamban’ny governemanta manana dosie goavana toy ny fanodinkodinana volam-panjakana, fanararaotam-pahefana, afera lehibe,… ny HCJ. Sarotra anefa ny fanenjehana satria tsy maintsy lanian’ny depiote maro an’isa mihoatra ny antsasa-manila, izay vao afaka mandray an-tànana ny dosie sy manohy ny raharaha ny HCJ. Manodidina ny 15 ireo dosie efa eo am-pelantanan’ny HCJ, saingy mihisatra sy tsy misy akony. Isan’ny efa nanao fanamarihana mikasika ion y Filohan’ny HCC ankehitriny Atoa Florent Rakotoarisoa, izay nahitsy nilaza mandeha ila ny ady amin’ny kolikoly noho io fangatahana tso-drano amin’ny Antenimiera io. Efa mametraka arofanina ho azy ihany koa ve ny Fitondrana Rajoelina amin’ny fiarovan-tena ka nandefasana ny olony ho ao amin’ny HCJ mba hipasoka daomy eo anatrehan’ny mety ho fisiana olon’ny fitondrana ho voapaingotra eny amin’ny HCJ aoriana ao ?
Toky R
Feno ireo tondro maneho sy manamafy ny fisavoritahana ao anaty Fanjakana, ankoatra ny tondro ara-tsosialy,
Hanomboka anio Alatsinainy 02 Jona amim-pomba ofisialy ny fananganan-tsaina
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,