tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 26 Mai 2023

airtel

Politique

Fanirisoa Ernaivo sy Marco Randrianisa Tena nosamborina saingy navotsotra avy eo

Tena nisy tokoa ny fisamborana an’I Fanirisoa Ernaivo sy Marco Randrianisa tany Frantsa ny talata lasa teo, raha ny nambaran’izy ireo tao amin’ny tambajotran-tserasera.

25-mai-2023

Sample post image

Izy ireto izay marihina, fa mpanakiana fatratra ny Fitondrana Rajoelina, ary tazana hatrany tamin’ireo hetsika samihafa nataon’ny mpanohitra izao fitondrana izao tany Frantsa. “Tena marina tokoa fa voasambotra aho tamin’ny maraina, nalaina tao an-trano mba hatao “garde à vue”, nalaina tany amin’ny tany misy ahy hatao fanadihadiana, izaho sy Marco Randrianisa. Tahaka ny mahazatra anefa dia tsy afaka nitazona ahy elabe ry zareo, fa voatery namoaka ahy rehefa vita ny fanadihadiana”, hoy I Fanirisoa Ernaivo. Raha hiverenena, ny 25 aogositra 2021 dia efa nisy ny fisamborana azy noho ny filazana ny tenany ho nikasa hanakorontana sy nitondra baomba nandritra ny fivorian’ny MEDEF (Mouvement des Entreprises de France) natrehin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, tany Longchamp Frantsa. Navotsotra anefa avy eo rehefa voalaza fa tsy nitombina. “Aty amin’ny tany misy lalàna isika, aty amin’ny tany misy Fanjakana fa tsy tahaka ny any Madagasikara, lasa “Madagougou” tsy misy zavatra mandeha, ka isaorana an’Andriamanitra aloha mbola taty fa raha tany Madagasikara mety tsy tafavoaka”, hoy I Fanirisoa Ernaivo tamin’ity fisamborana faharoa ity. Nilaza kosa I Marco Randrianisa fa rehefa fisamborana tahaka ireny tsy misy azonao atao, fa rehefa any amin’ny birao vao mandeha ny resaka. Niditra “garde à vue” izahay, fa 15 minitra raha be indrindra, fa ny sisa tany amin’ny birao natao fanadihadiana, hoy izy, izay naneho fa ny marina no notenenina tao. Mbola nisy moa ny teny nataony omaly nilaza hoe: “KO debout Rajoelina, il frappe dans le vide”. Nampahatsiahy ihany koa fa tany tan-dalàna ny ao La Frantsa, afaka miteny sy maneho hevitra, fa mila mitandrina satria azon-dry zalahy avadika ho fandrahonana, hoy izy. Tandremana ny fanaovana hetsika mahery vaika lehibe. Ny Minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha Atoa Patrick Rajoelina moa no isan’ny tondroin’ireo mpanohitra ny fitondrana monina any Frantsa ho ambadiky ny fitorohana ka nisamborana azy ireo. Mbola tsy nisy kosa hatreto ny fanazavana ofisialy avy amin’ny fitondram-panjakana momba ny antony mazava sy ny vesatra nampisamborana azy ireo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Digitalisation” eny amin’ny fokontany Mbola ny karine aloha izao no atobaka
26-mai-2023

Nandritra ny fitokanana biraom-pokontany tao Ambatolahikisoa Fianarantsoa omaly 25 may 2023 no nilazan’ny Filoha

Card image cap
Depiote Todisoa Andriamampandry “Tohizantsika ny fanamboaran-dàlana...”
26-mai-2023

Tahaka ireo fokontany maro ao amin’ny anatin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo, mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dàlana eny amin’ny fokontany Ambatolampy sy Avaratanana (Procar).

Card image cap
Politika sy krizin’andrim-panjakana Tsy te hatao sorona ny governemanta
26-mai-2023

Mihamafy ny krizin’andrim-panjakana eto amin’ny tany sy ny firenena na hiniana sarontsaronana hatrany ny hoe : tsy misy krizy politika eto aza.

Card image cap
Tsy fahafehezana arofenitra Sambany nisy biraom-pokontany notokanana filoham-pirenena
26-mai-2023

Taorian’ny lazan’ny fandoarana «riz cantonais» dia sambany koa izany izao no nisy biraom-pokontany notokanana filoham-pirenena teto Madagasikara.

Card image cap
Antoko Ny Fireneko «Fifanarahana mankany amin’ny fitoniana no andrasana»
26-mai-2023

Mivoy ny amin’ny tokony hisiana fifanarahana politika amin’izao fotoana ny antoko politika sasantsasany, hoy ny antoko politika Ny Fireneko.

Card image cap
Fandraisana ny Filoha ao Betafo amin’ny jona
26-mai-2023

Terena hividy “polo orange” ny mpiasam-panjakana ?

Voir plus