alohan’ny volana aogositra 2025 mialohan’ny fivorian’ny SADC ny toeram-pitsangatsanganana nambarany fa hapetraka eny amin’ny Lac Ivato, izay nolazaina herinandro lasa fa hasiana « bus électrique » ihany koa. Toeram-pitsangatsanganana, jet d’eau, toerana fanaovana fanatanjahantena,… no lazaina fa hatao, ary nambara fa ho avo 10 heny na avo 100 heny amin’ny Miami any Toamasina, goavana be,… Hisy tsenabe na « village artisanale » hatao. Hametraka fotodrafitrasa manova endrika sy haha maoderina ny tanàna. Anisan’ny lazaina fa hiara-hanantanteraka izany ny Vondron’orinasan’ilay mpanefoefo Mohamed Alabbar, ka nampakana sary an-tsaina ny olona ny hakanton’i Dubaï. Tena izany ve no maika ? Hihazakazaka amin’ny kirendrarendra sy ny seho ivelany mirantiranty hatrany fa ny vahoaka anefa miha fadiranovana andro aman’alina, ny fiainam-bahoaka sy fiainam-pirenena miha mikoroso fahana hatrany,… Betsaka ireo vondron’orinasa nambara fa efa eto sy vonona hanangana orinasa eto. Efa betsaka ihany koa izay zavatra goavana nambara fa hatao teto izay fa moa tena ampy fahamatorana ve ilay Fanjakana manao azy ? Nolazaina fa hatao any amin’ny Tanamasoandro ny Lalaon’ny Nosy 2023 ary efa naseho ny makety samihafa toy ny kianja, Gymnase,… eny fa hatramin’ny maketin’ny Tanamasoandro aza efa naparitaka fa aiza izany izao ? Nolazaina fa vonona ny Vondrona Al-Jabber noderaina manokana fa nanao ireo trano mijoalajoala maro any Dubaï, avy eo indray ny Tiorka no nambara fa vonona fa inona no teo ? Efa tao anatin’ny 5 taona no nilazana fa hanomboka ny Fly over eo Anosizato sy Andohatapenaka,… Nolazaina fa hisokatra amin’ny lalaon’ny Nosy teleferika fa mandrak’ity ny androany mbola trosa mihantona eo ka na ny vola hanodinana azy mety hanahirana, efa ela no nolazaina fa handeha ny « train urbain » ka asa indray izay mety ho henjikenjika anaty tosika propagandy ka ireo lohamasinina brokantera tany Fianarantso ve no hampiasaina, efa nisy ny filazana fa ho tonga alohan’ny faran’ny 2022 ny bus maoderina hanatsarana ny fitaterana eto Antananarivo,… Dia io fa handray fivondronamben’ny SADC dia manao fanamby hanao toeram-pitsangantsanganana goavana. Sehoseho sy haingo ambony tsikoko haderadera ny Afrikanina no tena zava-dehibe sa famahana ifotony ny fahantram-bahoaka ? Mba efa vonona ara-bola sy ara-teknika ihany koa ireny sa resaka hatrany no betsaka ? Miandrandra mafy an’ireo mpanefoefo Arabo ny Fanjakana amin’ireo tetikasa mamirapiratra resahiny fa inona no tambiny ? Mangarahara ve ? Sa sanatria fivarotan-tanindrazana avo lenta mivantana na ankolaka toy ny adihevitra mikasika ny Nosy Mitsio any Nosy Be ?
Toky R
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny