airtel

Politique

09-août-2022

Politique

Fanjakana Rajoelina "Tsy mahay, tsy manaiky ho diso mihitsy..."

Sample post image

Manana ny fahaiza-manaony sy ny nampiavaka azy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, manana ny tantaram-pahombiazana ara-piainana na “success story” izay nideran’ny maro azy izy,

09-août-2022

izay tsy azo hafenina, ary maro no nidera azy tamin’izany raha ny sehatry ny fandraharahana. Raha ara-politika, tena mahomby sy mahay raha maka sy mandrombaka fahefana amin’ny fomba rehetra. Ara-pitantanana ny firenena kosa, ekena fa nanana ny heverina fa paikadiny izy, nahavita izay najorony sy natsangany. Samy nanao an’izany ny rehetra, fa raha tarafina amin’ny fandrosoan’ny vahoaka sy ny firenena, raha jerena amin’ny fari-piainan’ny olona, tsy sasatry ny mitotongana ny firenena rehefa I Andry Rajoelina no mandray fahefana. Niainga 2009 io, nitohy 2019 hatramin’izao, politikam-pitantanana manidintsidina, tsy marin-toerana,… ka ny fampanantenana no betsaka fa ny fanatanterahana sarotra, hany ka potika ny firenena. “Tsy mbola nisy ny fotoana tahaka izao, tao anatin’ny 60 taona hoe: firenena milamina, azo lazaina fa mbola misy fitoniana politika satria mbola eo avokoa ny rafitra ny andrim-panjakana, kanefa dia miaina anaty fahapotehana tanteraka ao anaty toekarena na “paralysie économique”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpisintona lakolosy sady mpamakafaka Mahery Lanto Manandafy tao amin’ny Top Radio FM 102.8 omaly 08 aogositra 2022. Aminy, efa tonga amin’ny fahasahiranana ara-bola tanteraka na “cessation de paiement”: ny Orinasa Air Madagascar banky ropitra sy potika mila mandalo Madagascar Airlines vao mahazo vola, ny Jirama potika, tsy mbola nisy nikitika sy naka ny vola tao amin’ny CNaPS ny Fanjakana rehetra nifanesy, fa ity ihany no nahavitana an’izany,… potehinao ny CNaPS 300 miliara Ar tsy hita tao, nopotehinao ny FER (Fonds d’Entretien Routier) 547 miliara Ar nanjavona, lazaina fa izay 49 miliara Ar an’ny orinasa vaventy ve tsy ho voaloa kanefa tsy aloa, 15 tapitrisa dolara ny anjaran’ny Fanjakana tamin’ny fanamboarana ny Kianja Barea, ohatry ny tsy voaloan’ny Fanjakana, saingy tsy azon’ny sinoa makany Chine,... Nahitsy moa izy naneho, fa tena hain’io Filoha io mihitsy ny mandainga, mametraka vatofototra,… Ny vahoaka nolazaina fa aza mamboly vary, fa mambolea artemesia ankoatra ny efa famotehana tao, dia izao 2022 vao hoe: fambolena no laharam-pahamehana. Marina fa niteny hoe: zava-dehibe ny fitoniana politika, tsy misy fampandrosoana vanona raha tsy misy fitoniana, fa ankehitriny mametra-panontaniana hoe: Sao mba tokony sakanana amin’izay, minisitry am-perin’asa ve mandeha maka volamena 36kg amin’ny “coffre” izay nampitantanana azy? Hoy I Mahery Lanto Manandafy omaly. Na izany aza, tsy miombon-kevitra amin’ny resaka fikaonan-doham-pirenena izay ambarany fa politikan’ny fizarazaran-tseza ity mpampaneno lakolosy.
TSY MANAIKY FA HATREO NO TAKANY…
Sarotra ny miady hevitra rehefa tonga amin’ny fotoana tsy mihaino, tsy manaiky diso, tsy te hahalala afatsy ny heviny ny mpitondra na ny Fitondram-panjakana iray na miharihary aza ny “tsy fahaiza-mitantana” manara-penitra. Samy nanana ny fahaizany, samy nanana ny fetrany ireo filoha teo aloha, saingy nisy ny niaiky ny fetrany, ary tsy fandokafana raha mampahatsiahy i Marc Ravalomanana dia niantso manam-pahaizana samihafa tahaka ireo Malagasy sangany izay saika niverina niasa any amin’ny sehatra iraisam-pirenena toy ny Banky Iraisam-pirenena, tahirim-bola iraisam-pirenena. Niantso manam-pahaizana vahiny toy ilay mpahay toekarena efa nahazo ny amboara Nobel dia I Joseph Stiglitz, ilay Franco-Norvegienne malaza izay nanolo-tsaina azy momba ny lalàna, mpanolontsaina ara-politika teratany Allemand Docteur Einsslin, ilay Frantsay Michel Prévost sy ilay Norvezianina Roger Christen teo amin’ny lafiny PIC (Pôles Integrés de Croissance),…

Toky R 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap