airtel

Politique

23-oct-2023

Fanjakana tsy tan-dalàna, herisetra,...

Ahiana indray ny sazy iraisam-pirenena…

Sample post image

Mampanahy tanteraka ny toe-draharaha eto Madagasikara noho ny olana ara-politika ateraky ny jadona,

23-oct-2023

Fanjakana tsy tan-dalàna, fanitsakitsahana lalàmpanorenana, tsy fanajana zon’olombelona, herisetra sy fampiasan-kery,… Ahiana indray ny sazy iraisam-pirenena ho an’I Madagasikara izay mety hiteraka ankivy ara-toekarena raha mitohy ny fanaovana sorona ny firenena sy fanaovana bemarenina. 10 andro eo izay no efa nivoaka ny fanambaran’ny Firenena Mikambana na ny ONU tamin’ny alalan’I Seif Magango Mpitondra tenin’ny Birao misahana ny zon’olombelona, izay nilaza fa manahy mafy manoloana ny fiharatsian’ny toe-draharaha indrindra eo amin’ny lafiny fanajana zon’olombelona amin’izao vanim-potoana hanaovana ny latsa-bato afaka iray volana izao, eo anatrehan’ny fampiasan’ny mpitandro filaminana hery sy famoretana. Nahitsy io rantsan’ny ONU io nilaza fa tena tsy ilaina, ary tsy mifanentana amin’ny zava-misy ny fampisan-kery. Niantso ny fahafaha-maneho hevitra malalaka, hivondrona sy hivory, ka fepetra mendrika sy mifanentana amin’izany no hoentina miantsoroka azy,… mba hahafahana mametraka tontolo mifanaraka amin’ny fifidianana malalaka, tsy mitanila, ary mangarahara. Tsy tokony hisy fitanilana ara-panjakana, ary notsikafonin’ny ONU ny fampiasan-kery, fandratrana, fisamborana,… Mbola nitohy tamin’ny fanambarana nataon’ny Solontenan’ny Firenena Mikambana sy ny ambasadaoron’ny firenena vahiny maro. Hatreto, mery ho voasokajy ao anatin’ny “zone orange” izany hoe mikorontandrotana I Madagasikara, saingy raha izao no mitohy dia mety ho voasokajy ho ao anatin’ny tany anaty korontana sy hotakotaka tanteraka, ka na ireo fifanarahana sy tohana iraisam-pirenena aza mety ho tapaka eo anatrehan’ny jadona, tsy fanajana zon’olombelona, tsy fanajana ny demokrasia, fanitsakitsahana ny lalàna sy fifanarahana iraisam-pirenena tahaka ny zo sivily sy zo politika nosoniavintsika tamin’ny taona 1971,… Mahagaga ihany koa ny fanakanana mivantana na ankolaka ny iraky ny SADC tonga hijery akaiky ny toe-draharaha eto. Ahiana hiteraka ankivy ara-toekarena noho ny tsy fisian’ny fitoniana eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana na “climat des affaires” ka ny eto mety misy handositra, ny tokony ho avy mihemotra, ny mpizahatany hihemotra,… Ankehitriny anefa, efa maro ireo orinasa velon-taraina noho ny fitakiam-bola mihoampampana amin’ny alalan’ny “redressement fiscal” ary misy ny fantatra fa handeha hiova firenena,… Hatao sorona hatrany ve ny firenena
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap
15-mai-2025

Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny

Card image cap