airtel

Politique

21-juil-2025

Fanjakana volomboasary

Ny fihaonamben’ny SADC indray izao lehibe indrindra

Sample post image

Tafapetraka etsy Mahamasina ny fiandohan’ny herinandro teo ny foibem-pibaikoana

21-juil-2025

momba ny fihaonana an-tampon’ny vondrona SADC na Fiaraha-mientan’ny Firenena any Afrika Atsimo. Toerana tokana iray voalaza fa hanamora sy hifehezana ny fikarakarana rehetra amin’ny fihaonambem-pirenena faha-45 an’ny SADC. Foibe Fibaikoana sy Fanaraha-maso ara-pitaovana eny amin’ny kianja Barea, Antananarivo io. Hiandraikitra ny fandaminana ara-pitaovana, fiarovana, ary fomba fanao ara-diplaomatika, mifandraika amin’ny fikarakarana an’ilay fihaonambe izay hotanterahina eto an-drenivohitra, ny 3 hatramin’ny 18 aogositra 2025, raha ny seraseram-panjakana. Miomana sy mikofokofoka mafy amin’ny Fihaonamben’ny SADC izay fotoana handraisan’i Andry Rajoelina ny fitantanana ity rafitra ity noho ny fitantanana ifandimbiasan’ireo mpikambana, ka herintaona no faharetan’io. Ireharehana sy hanaovana serasera fatratra io saingy tena misy lanjany lehibe ho an'ny Firenena Malagasy ve? Ny mpitondra izay mirehareha mafy fa voninahitry ny Firenena, kanefa i Madagasikara aza tsy voatantana araka ny tokony ho izy, ny diplaomasia Malagasy tsy mahomby ary isan'ny taratr'izany ilay hoe: ny mpikambana rehetra ao anatin'ny SADC aza tsy nifidy manontolo ny kandida natolotry ny Fitondrana Rajoelina tamin'ny fifidianana Filohan'ny Kaomisionin'ny Vondrona Afrikanina. Mikofokofoka mafy amin'ny fihaonamben'ny SADC ny Fanjakana Rajoelina izay zava-dehibe sy fanao, saingy miharihary ihany koa anefa ny politikan’ny haingo ambony tsikoko no betsaka, ka ny zavatra rehetra handraisana vahiny ezahana hatao mamirapiratra, kanefa tsy mba taratry ny fiainam-bahoaka izay miha difotra hatrany ao anaty fahantrana. Hatramin'ny fandraisana fiara aza hanaovana lanonam-panjakana. Hihazakazahana ny seho ivelany samihafa : Lac Iarivo, bus elektrika,… fa ny fiainam-bahoaka sy ireo raharaha tena stratejika ho an’ny Firenena tsy misy firaharahiana firy : famoronana asa, fametrahana politika ara-toekarena sy ara-pamokarana mahomby, fampihenana ny vidim-piainana, fanamboarana sy fikojakojana ny làlam-pirenena sy ny làlana samihafa any amin’ny faritra, fanatsarana ny politika ara-pahasalamana… Miharihary hatrany ny politikan'ny vonjy tavanandro, iray volana no ananana, saingy ireo zavatra ampanantenaina hohenjehina ao anatin'izany toa sarotra inoana ho vita araka ny fampanantenana. Mikofokofoka hamita ny lalana 8km fa hanao ahoana ny hafa toy ny hotely handraisana ny fihaonana?
Toky R
 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap
28-avril-2026

ara-panahy ny hoe anjaran’ny atsimo izao»

Card image cap
28-avril-2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

Card image cap
28-avril-2026

Tsy misy vahaolana afa-tsy fanovàna rafitra»

Card image cap