airtel

Politique

12-juin-2024

Faratsiho

Mandresy mazava i Mily, taraiky i Lalatiana…

Sample post image

Isan’ny tena nandrasan’ny maro tao anatin’ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika ny momba an’i Faratsiho.

12-juin-2024

Resin-dRamilison Andriamampionona Nomenjanahary na MILY tamin’ny isa mazava 45,29% tamin’ny alalan’ny vato manan-kery 22897 ny minisitra kandida Lalatiana Rakotondrazafy nahazo 40,46% izay nahazo vato 20546, raha ny tatitry ny CENI. Voatazona izany ny elanelam-bato 2351 tany Faratsiho, maharesy an’i Lalatiana Rakotondrazafy, raha ity vokatra ity. Ity farany izay sady nanao vavabe no nasandratry ireo mpiara-dia amin’ny fitondrana ho mafy sy mahavita azy, hay resin’i Mily mazava be tao Faratsiho. Horakoraka sy tehateka no nandraisan’ireo mpanotrona sy mpanaraka ny voka-pifidianana nijery ny « écran géant » napetraky ny CENI tao anatin’ny trano fialofana tao ivelany noho ny fahateren’ny efitrano teny Alarobia omaly. Nialohan’ny fivoahan’ity vokatra ofisialy omaly ity moa, dia nisy ny fanambarana nataon’ireo Vondron’ny Kandida IRMAR resy na laharana faharoa any amin’ireo distrika misy depiote roa, niezaka nanamafy sy nivoy fa nangala-bato ny mpanohitra. Izy ireo izay miantehitra mafy amin’ny HCC hanitsy ny voka-pifidianana navoakan’ny HCC hanome tombony sy hampandresy azy taorian’ny karazana fitoriana natao toy ny filazana fa nangala-bato ny mpanohitra. Kandida IRMAR maro moa no mitovy lasitra amin-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy ka miandrandra fitsimbadihana, toy ny ao Port Bergé Velontsara Paul Bert, ny tao Arivonimamo Ratovoandravoavy Andrianiana izay vizan’ny FIVOI 80% latsaka kely, ny tao Soavinandriana Fhy Razaiharimalala izay resin’ny tsy miankina, ny tany Fandriana Solo Andriamampisoa izay tsy nahovoka ny kandida tsy miankina, ny kandida tany Vohipeno Atoa Tsabotokay Honoré, ny kandida tao Manjakandriana Atoa Solofo Jocelyn izay laharana fahatelo,… Mbola hanondraka solika amin’ny afo efa mirehitra amin’ny alalan’ny fanatsimbadihana ny vokatra hanomezana tombondahiny ny kandidam-panjakana ve ny HCC.
Toky R

 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap
16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap