airtel

Politique

23-janv-2024

Fiadidian’ny CUA

Mbola mandrangitra ilay mponin’Antananarivo ihany

Sample post image

Eo am-piandrasana ny fanendrena izay ho Filohan'ny delegasiona manokan'Antananarivo

23-janv-2024

dia manohy ny asa andavanandro ny Kaominina Antananarivo renivohitra, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny fiadidiana ity kaominina ity omaly. Ny Boriboritany rehetra ihany koa dia manohy ny asany hatrany ary mandray sy misokatra ho an'ny mponin'Antananarivo Renivohitra, hoy ny fanentanana. Raha ho an'ny Boriboritany voalohany manokana dia manao hetsika fanampiana ireo mpikarakara taratasy, indrindra fa ny taratasim-panadinana. Ny volana janoary ka hatramin'ny volana martsa no tena betsaka ireo milahatra "bulletin de naissance" na fanamariham-pahaterahana. Mahatratra 500 isa isan’andro izany. Eny anivon'ny boriboritany no miandraikitra ireo taratasy rehetra manomboka amin'ny fahaterahana ka hatramin'ny fahafatesana, ny fanamarinan-tsonia na "légalisation" ary ireo "certification". Araka ny voalazan'ny delegen'ny boriboritany voalohany, Andriamparany Cathrina Margareth, dia nanavao ny fomba fiasa ny boriboritany amin'ny fandraisana ireo olona sy ny fanaraha-maso izay mety ho endrika kolikoly mba hampitomboana ny vola miditra amin'ny kaominina, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Nanamarika moa ny Kaominin’Antananarivo renivohitra fa miezaka hatrany manome fahafaham-po ny mponin’Antananarivo nefa ny fako mihitsy no tsy nety voaroaka fa nitombo fatratra hatrany tao anatin’izay 4 taona mahery izay. Ilay fiadidiana ny Kaominin’Antananarivo renivohitra kosa, etsy ankilan’izay, mbola mandrangitra ilay mponin’Antanarivo ihany.
J. Mirija


 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap