airtel

Politique

02-mars-2023

Politique

Fiadidian’ny Repbolika Nosoloina indray ny Tale Kabinetra

Sample post image

Miova indray ny sary eo anivon’ny Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika! Nesorina tamin’ny toerany nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly 01 martsa ny Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Raharinirina

02-mars-2023

Baomiavotse Vahinala, Ny tenany izay marihina fa efa avy Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy no nesorina, ka niandraikitra ny Kabinetra Filoha nanomboka ny 06 aprily 2022. 11 volana teo ho eo taorian’ny fanendrena azy izany, dia nesorina ity tompon’andraikitra ambony, izay zanaka mpanao politika mpikatroka tao anatin’ny MFM ity. Efa hatry ny ela no tsy dia heno sy tsy dia hita firy Rtoa Baomiavotse Raharinirina. Isan’ny nahalalana azy ny Minisiteran’ny tontolo iainana, izay nisian’ny fifanandrinana teo aminy sy ny Minisitra lefitra nisahana ny fandrakofana ala Rtoa Haingosoa Hortensia tamin’izany. Nesorina ity farany, ary nafindra toerana tany amin’ny Fiadidian’ny Repoblika ny Minisitra Baomiavotse tato aoriana, ary izao nesorina izao. Hotendrena amin’ny andraikitra hafa tahaka ny hoe: ambasadaoro sa nesorina noho ny olana arak’asa na ara-pifandraisana tao Iavoloha? Ny toe-draharaha politika rahateo mifamahofaho ka heverina ho tsy tongatonga ho azy ireny! ““Izay afafy ihany no jinjaina”! Koa Mamafaza voa, aza mba malaina, Ary aza kivy amin’ny fanaovan-tsoa”, hoy izy tao amin’ny pejy Facebook-ny omaly. Notendrena omaly avy hatrany moa ny solony dia Rtoa Andrianarisoa Romy Voos, izay raha ny fikarohana fohifohy ny momba azy, dia manam-pahaizana momba ny fampandrosoana lovain-jafy ny tenany; efa "Directrice des Rélations Publiques” teo anivon’ny Vondron’orinasa Filatex, Filohan’ny Kaomisionin’ny Fampandrosoana lovain-jafy teo anivon’ny GEM (Groupement des Entreprises de Madagascar); Tale Jeneralin’ny TF 261 mpisehatra amin’ny torohay momba ny fampandrosoana lovain-jafy,… Izy izany no Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika fahaefatra taorian-dRtoa Stephanie Delmotte, Lova Hasinirina Ranoromaro, ary ny farany teo dia Rtoa Raharinirina Baomiavotse Vahinala. Raha atao izany ny salan’isa dia niova Tale Kabinetra in-dray isan-taona ny Fiadidian’ny Repoblika izay mety ho endriky ny tsy fahombiazana ara-politika sy ara-pitantanana tahaka ny miseho ao anaty governemanta ihany, toy ny hoe: Minisitera iray nisy minisitra 7 sy 6 nitantana tao anatin’ny 4 taona mahery kely.
Toky R


 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Feno ireo tondro maneho sy manamafy ny fisavoritahana ao anaty Fanjakana, ankoatra ny tondro ara-tsosialy,

Card image cap
02-juin-2025

Hanomboka anio Alatsinainy 02 Jona amim-pomba ofisialy ny fananganan-tsaina

Card image cap
30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap