teo tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny fihaonan'ny olom-pirenena « Andao Isika Hihaona #2 » niarahan'ny Collectif du Mouvement Gen Z tamin' i Me Hanitra Razafimanantsoa, Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana. Niompana tamin’ny raharaha fikaonandoham-pirenena.
FANOMANANA
Namafisin’ny Minisi-panjakana fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanomanana fikaondoham-pirenena isika amin’izao fotoana izao. Efa nisy ny volavolana tetiandro navoakan’ny Minisiteram-panjakana, ka andrasana fankatoavana satria efa natsangana ny komity mpandrindra na ny « comité de pilotage » eo anivon’ny fiadidian’ny fanavaozana. Ny 3 volana voalohany amin’ity 2026 ity no hametrahana sy handaminana ny ara-teknika,ny filana manontolo, ny isan’ny olona efa hita, ny olona manana ny fahaizana na « expertise », ny fitaovana izay ilaina, fanofanana ireo olona hampiofana indray ireo olona izay hitarika sy handray anjara amin’ny fikaonandoha. Ny 3 volana manaraka no hametrahana sy hanaovana ny fikaonandoha savaravina eto Antananarivo, ka hisy ihany koa ny andrana mikasika ny stratejia sy ny politika, izay hisy faritra 3 hanaovana azy. Fikarakarana manontolo sy fanaovana andrana izany ny 6 volana voalohany.
FIKAONANDOHA MIAINGA ENY AMIN’NY FOKONTANY
Ny 6 volana tapany faharoa kosa no tena fikaonandoha miainga eny amin’ny fokontany, miakatra amin’ny kaominina, distrika, faritra,… ka ny iray volana tena farany ny fikaonandoham-pirenena. Tapitra ny taona, dia miditra amin’ny famolavolana ny hevitra rehetra ho lalàmpanorenana, ka ny taona 2027 kosa no hanaovana fifidianana lalàmpanorenana sy ny fifidianana isan-tsokajiny rehetra tapaky ny fikaonandoham-pirenena. Hanana andraikitra be dia be ny tanora indrindra ny Collectif des Gen z, ilaina foana mandritra ny fikaonandoha manontolo, matanjaka, manan-tsaina,… kanefa ilaina ihany koa ny rehetra na fikambanana, na mpanao politika,… Tsy maintsy ny Fanjakana no hamorona ny enti-manana rehetra, fa antsoina ihany koa ny Malagasy rehefa hifanampy sy hanome tanana. Ny Firenena ivelany sy mpiara-miombon’antoka hanampy, fa tsy voatery ho ara-bola foana toy ny fanofanana, ara-pitaovana, fanatontosana amin’ny fifidianana,… fa mbola hisy dinika iarahana amin’izy ireo. Isika anefa aloha no mila manao, hoy ny Minisi-panjakana Hanitra Razafimanantsoa.
VONONA NY TANORA…
Naneho kosa ny solontenan’ny GEN Z hoe tsotra ny azy ireo dia ny hametrahana mazava ny làlana hizorana amin’ny fanavaozana ifotony. Hijery ny fomba hitondrana ny fikaonandoham-pirenena, ny hahafahana misitraka mazava ny vokatra entina sy hivoaka mba tsy hisy tombo sy hala sy hahatonga ny feon’ny tsirairay hahazo lanja. Hita, hoy izy ireo, ny fisiana finiavana avy amin’ny Minisitra, fa misy ihany ny teboka tokony hiarahana mijery, tsy avy amin’ny tanora irery fa avy amin’ny rehetra : mpandala ny fomba Malagasy, FFKM,… Raha nanontaniana ny hoe : hanolo-kevitra fotsiny izany ianareo sa mitady seza sy tambiny dia « Ny hevitra no apetraka, ny andraikitra horaisina raha ohatra ka izay no hampandroso ny Firenena », hoy valin-tenin-dRakotondravelo Mihary mpitarika ny Gen Z.
Toky R