airtel

Politique

18-janv-2024

Fianianam-panompoana an’i Lafrantsa

Navotsony ny an’i Karim Wade fa kandida, tsy te hahalala ny Filohan’ny Gasy…

Sample post image

Nofoanan’i Gabriel Attal, praiministra frantsay vaovao vao voatendry,

18-janv-2024

ny fianianam-panompoana ny firenena frantsay nataon’i Karim Wade, zanaky ny filoham-pirenen’i Senegaley teo aloha, Abdoulaye Wade, rehefa nanamafy ny firotsahany ho fidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena any Senegaly ity farany ka mitarika avy hatrany ny fahaverezan’ny zo maha frantsay ananany izany, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. 55 taona moa izao i Karim Wade ary raha iverenana fohy ny mombamomba azy dia notendren’ny rainy ho minisi-panjakana sy fifampiraharahana ary fitaterana ny lehilahy ny taona 2009. Efa nilatsaka ben’ny tanàna tao amin’ny renivohitr’i Senegaly, izany hoe Dakar, saingy tsy lany ary niala teo anivon’ny governemanta kosa ny taona 2012 rehefa resin’ny filoham-pirenena nandimby ny rainy, Macky Sall, ny rainy. Niharana fanenjehana politika samihafa izy ny taona 2013 ary nisy moa ny fiampangana azy ho nangoron-karena tamin’ny fomba tsy mazava ka dia voasazin’ny lalàna handoa onitra ary niafara tamin’ny fialokalofana politika tany Qatar izany. Natolotry ny antoko politikany dia ny PDS izy nandritry ny fifidianana filoham-pirenena 2019 saingy nolavina ny filatsahan-kofidiany. Heverina fa noho izy ho isan’ireo hifaninana amin’izany indray amin’ity taona 2019 ity, noho izany, no nivoahan’izao fanapahan-kevitry ny praiminisitra frantsay izao, raha ny fahitan’ireo mpanara-baovao momba azy ao Senegaly ao. Isan’ny fanontaniana mipetraka manoloana ny toe-draharaha politika eto Madagasikara kosa ao anatin’izany rehetra izany ary velona indray ny hoe tsy afaka nanary ny zom-pirenena frantsay azy toy izany koa ve izany ny filoham-pirenena malagasy ankehitriny vao nirotsaka ho fidiana farany teo? Inona koa anefa ao anatin’izany rehetra izany no antony namotsoran’ny fanjakana frantsay mora foana ity mpanao politika senegaley iray ity? Inona nefa etsy ankilan’izay no tsy amotsorany ireo nosy manodidina ho an’i Madagasikara madiodio? Mampametra-panontaniana maro momba an’i Madagasikara ilay fanapahan-kevitry ny frantsay momba an’i Senegaley.

Ny andininy faha-28 amin’ny lalàmpanorenana Senegaley no mamaritra ny tsy maintsy hamerezana ny zom-pirenena vahiny ho an’ireo kandida filoham-pirenena, ka i Karim Wade mihitsy no nangataka an’io ho fananjana ny lalàmpanorenana sy ny vahoaka Senegaley, hoy ny fampahalalam-baovao hafa. Tsy dia mifankaiza amin’ny sary niseho teto Madagasikara talohan’ny fifidianana io, saingy ny teto amintsika ninia nikipy sy niezaka nanadio tena, tsy sahy nangataka ny famerezana ilay tokim-panompoana an’i Lafrantsa.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap