airtel

Politique

21-mars-2024

Fiarahamonim-pirenena handrafitra ny HCDDED

Nanomboka omaly ny fametrahana antotan-taratasy

Sample post image

Ho tohin’ny fivoriamben’ny fiarahamonim-pirenena ny 16 martsa 2024 lasa teo,

21-mars-2024

izay nifidianana ireo mpikambana anatin’ny Komity iombonana na «Comité Ad’hoc» hanomana ny fifidianana ny solontenan’ny fiarahamonim-pirenena eo anivon’ny HCDDED na Filankevitra ambony momba ny tany tan-dalàna sy zon’olombelona, izay nanomboka niasa ny alatsinainy teo nandrafitra ny Birao sy fitsipika anatiny, ny talata no nandrafetana ny zotram-pifidianana,toy izao manaraka izao, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Ny 20 martsa hatramin’ny 25 martsa 2024 no fametrahana ny antontan-taratasy ho an’ny kandida hirotsaka ho fidiana. Ny 26 martsa 2024 no fanokafana ny antontan-taratasy voaray na «dépouillement». Ny 27 martsa 2024 no famoahana ny lisitry ny kandida sy ny lisitry ny mpifidy. Ny 03 Aprily 2024 no fifidianana. Ho an’ny kandida dia mila sary tapaka, bileta laharana faha 3 eo anivon’ny fitsarana, fanamarinam-ponenana, kara-panondrom-pirenena, ny mombamomba na CV, taratasy fanamarinana fahavononana na “Lettre de motivation”. Ho an’ny fikambanana mpanolotra kosa dia ilaina ny fitsipim-pifehezana na “statut de l’association ou ONG», taratasy fanamarinana ny fitsanganan’ilay rafitra na “récépissé de l'Association ou ONG”, fanomezam-pahefana voasonian’ny iray amin’ny birao na «mandat dumant signé par un membre de bureau nationale de l'entité”. Ho an’ny mpifidy dia ilaina ny fanomezam-pahefana voasonian’ny iray amin’ny birao na “mandat dument signé par un membre du bureau Nationale de l'entité inscrit dans la liste des électeurs retenues.”. Entanina isika rehetra mba hanaraka hatrany ny fizarana vaovao ao anaty ny rohim-pifandraisana sy ny haino vaky jery, hoy hatrany ireo komity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap