tany aloha fa vonona hanohana ahy, kanefa araka ny teny teo hoe : samy te ho lohany, ary nivoaka ihany ny marina, fa tsy haiko hoe : teo imasoko ve ilay hoe vonona hanohana ahy, hoy i Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo. Izaho ihany koa efa nahalala an’ilay izy ihany ka tsy te hisisika mihitsy, fa dia isaorako satria nisy hoe : rahariva ny tohiny, hatao ofisialy, saingy tsy tanteraka satria samy manana ny « engagement »-ny amin’ny antokony ihany koa ireo olona ireo ka mila tena fankatoavana avy any amin’ireo antokony, hoy hatrany izy. Na izany aza, naneho ity farany fa tsara ilay finiavana, ary isaorako be dia be izy satria rehefa tapa-kevitra dia nandroso ihany koa, hoy i Tahina Razafinjoelina. Izaho, hoy izy, tsy manome tsiny ary tsy mbola hitanareo ny niteny an’izany satria manahirana be. Nisy kosa ohatra ny fandaharana izay nataony, ary nisy olona rehefa nihaino dia tapa-kevitra, i Bodo izao tonga dia niteny, nampiseho fa marina ny tenin’i Tahina ary vonona izahay ny hiaraka aminy. Nisafidy ny tsy hiteny sy tsy haneho hevitra kosa i Tahina Razafinjoelina teo anatrehan’ny tsy fahatongavan’ny kandida roa tamin’ny ady hevitra ny sabotsy teo. Nohamafisiny kosa fa nangataka an’io izy hoe : andao hifanatrika satria mampalahelo ny filazan’ny olona ny tena ho devoly, jodasy, biby,… Aleo tsy mifanao an’izany rehefa misy hevitra tsy hitovizana, aleo mifanatrika isika, ary tamin’ilay fandaharana aho nandefa hafatra (message) tamin’ny kandidan’ny antoko namana hoe : andao isika mirahalahy hifanatrika fa tsy nisy valiny ilay izy, fa fanaratsiana no voaraiko omaly. Tsy maninona izany, fa hiatrika asa izahay, maro be ny asa natao, avy indray io ny orana, dia betsaka ny asa mila atao, ka tsy maintsy miasa isika, hoy i Tahina Razafinjoelina. Nohamafisiny kosa fa ny lisi-pifidianana no lakilen’ny fahadiovan’ny fifidianana. Efa nitondrana porofo sy nangataka tany amin’ny CENI, efa nalefa tamin’ny Vondrona Eoropeanina,… Tsy maintsy ary zon’ny kandida tsirairay ny manana ny lisi-pifidianana ka niantsoan’i Tahina Razafinjoelina ireo kandida rehetra hiray feo amin’izany. Notsiahiviny rahateo, fa ny Filoha lefitra tao amin’ny CENI no efa nilaza fa misy ny « doublon » fa tsy izy ireo no mamorona ka sanatria hoentina malokaloka foana ve ny fifidianana ?
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,