Niserantserana teny ihany izy io ny faramparan’ny taona 2021 ary ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary, moa no nanamafy avy eo fa efa misy kandida fahatelo na ilay antsoina hoe “troisième homme” any. Maro ireo mieritreritra fa ny filohan’ny vondrona afrikanin’ny Judo ankehitriny na UAJ, Siteny Randrianasoloniaiko, io kandida io. Misy anefa ankehitriny ny tsilian-tsofina mandeha fa mbola any am-pitan-dranomasina ilay kandida izay heverina fa mbola azo sokajiana ho olom-baovao sy afaka mifaninana tsara amin’ireo mety ho kandida miisa 2 hafa heverina fa mbola goavana amin’izao fotoana izao dia ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, sy ny ankehitriny, Andry Rajoelina. Mandeha koa etsy ankilany anefa ny fandinihana samihafa izay mitondra any amin’ny fomba fijery fa mety misy ny fifanarahana mampifamatotra an’ireo kandida miisa 2 voalaza farany ireo ary azo heverina mihitsy aza fa andry iray goavana mitana ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, ho tafajanona eo amin’ny toerana maha filoham-pirenena azy hatramin’izao ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana. Isan’ny petrakevitra iray koa ny hoe antony ivoizan’ireo mpiaradia amin’ny fitondrana ankehitriny ny fanaratsiana hatrany ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, na ivoizan’ny mpiaradia amin’ity farany ihany koa ny fanaratsiana ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, dia mba hahafahana manakona izay heverina ho “troisième homme” izay. Petrakevitra na hoe “hypothèse” daholo nefa moa hatreto izany rehetra izany saingy heverina fa tsy ho ela dia hipoitra ny tena marina amin’ity tantara ity.
J.Mirija
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,