airtel

Politique

29-nov-2024

Fifidianana ao Moramanga

Misy miketrika «Odonnance » 2000 isa mampiahiahy…

Sample post image

Kandida iray sy ny talen’ny fampielezan-kevitra ary ny « mandataire » ao amin’ny distrikan’i Moramanga

29-nov-2024

no tonga nanamarina teny anivon’ny Kaominina sy ny fokontany, ka hita tany amin’ny bokin’ny kaominina ireo olona tokony hanao « dépôt de signature » fa olona iray avy amin’ny antoko volomboasary no nameno an’ilay izy tao, raha ny loharanom-baovao akaiky ilay kandida sy ny mpiara-dia aminy. Io no voalaza fa niteny mpiasan’ny kaominina hanao an’ilay izy fa ho avy eo ny olona hanao sonia. Rehefa nojerena tao dia tena betsaka ny anaran’ilay olona, afak’omaly misy 1000 ary omaly nisy 1000 hafa indray, hoy ny loharanom-baovao. Nitohy tany amin’ny tribonaly ny fitsirihana nanamarinana izany, ary naka vadin-tany hiraketana ny zava-misy, raha ny vaovao vonjimaika azo avy tany an-toerana. Andrasana ny tohiny sy ny tatitra na fanazavana ofisialy mikasika ity toe-javatra ity izay endrika mampiseho sy mampiahiahy amin’ny mety ho fahalotoan’ny fifidianana, ary ahiana ho tsy tranga maningana. Tahaka izao no mety ho endriky ny fampiasana mpikaraman’ady ara-pifidianana na « mercenaires des votes » ! Andrasana ny fanazavana ofisialy !
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap