Anisan’izany fampifidianana olona avy amin’ny toeran-kafa. Teny Antohomadinika, ohatra, nisy andian’olona notaterina tamin’ny sprinter miloko mena, ka filoham-ponkontany no nambaran’ny mponina fa nanao amboletra nampifidy an’ireo. Nisy andiana mpianatra avy teny Ankatso, ka 12 ny taksibe voalaza fa nitondra ireo andian’olona, raha ny fanamarihana. Nisy mpianatra maherin’ny 20 tonga teny Ambohitsoa, notarihina filohan’ny mpianatra avy any amin’ny Faritra nampiahiahy. Zandary manao iraka tsy anaty lisitra fa « ordre de mission » no nananany, saika hifidy tetsy Andrefan’Ambohijanahary, saingy nisy ny tsy fanekena izany. Nisy ihany koa ny tranga tahaka izany teny Ivato, ary nandeha ny fanairana misy andiana mpitandro filaminana 1000 mahery natoby tao halefa hifidy teto Antananarivo. Avy any amin’ny Toby ivelan'Antanarivo ireo no nampiakarina teto, toa an’i Manjakandriana, Antsirabe, Toamasina,.... araka ny vaovao mampiahiahy niparitaka omaly. Niezaka nandiso an’ireny ho fanaratsiana moa ny EMMO-Nat. Nisy ihany koa ny fiara iray nivezivezy nitatitra olona teny amin’ny Birao fandatsaham-bato maro toy ny teny Mandrangobato, Anosipatrana,… Tetsy amin’ny EPP Vohibola salle 05A, nahitana olona 6 no tonga nandatsa-bato nitondra ordonnance (tsy navela no jerena mo ilay izy) ary tsy naharaka an’io ireo mpikamban’ny Birao fandatsaham-bato sasany satria mifandimby miditra hono tery ny toerana izay solotena 5 ihany no miditra dia ny 2 miandry eny ivelany. Nisy ny fahatrarana olona mpanohana kandida bileta efa voamarika teny Ambohitsoa sy teny Anosibe,… Betsaka ny toerana nisian’ny tranga tsy fahafahan’ny delege rehetra miara-miditra io satria ny teny Ambohidahy Ankadindramamy, ohatra, dia nisy 3 tamin’ny 7 ihany aza no afaka niditra fa hoe : tsy atonona ny efitrano. Teny amin’ny Fokontany Ambatomainty efa tamin’ny 7 sasany tsy mbola vonona ny lisitra ahafahan'ny olona manamarina ny anarany sy ny BV hifidianany. Teny Andranomena, tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy ny adiresy (logement) an'ny trano ho ana mpifidy maromaro tao anaty lisi-pifidianana .Mahagaga fa lasa mihoatra ny C200 ilay Lot trano an'ny olona maro nahazo "ordonnace" kanefa hatrizay C199 no farany amin'ny Lot-trano eny an-toerana. Raha mivoaka kely ivelan’Antananarivo, kandida iray ao amin’ny Kaominina Talatamaty no namoaka, fa « paquet 50 de bulletins unique» very tao amin’ny Birao fandatsaham-bato laharana faha-2 tao Talatamaty. Kandida iray teny Ambohidratrimo namoaka, fa mpifidy maro avy any Ivandry no tratra teny an-toerana.. Tany amin’ny Fokontany Ambatoaranana, Kaominina Komajia, Distrikan’i Mampikony, Faritra Sofia, dia Bileta an’ny Birao fandatsaham-bato any Ankazobe no tonga tany amin’io fokontany io. Ampahany tamin’ny tranga ireny, fa betsaka ireo toe-javatra nampiahiahy nanerana ny Nosy, indrindra fa teto Antananarivo.
Hatramin’ny lisi-pifidianana aza misy ahiahy goavana, ahiana ho nisy fanovana tamin’ny ora farany, raha jerena amin’ny tranga toy ny teny amin’ny EPP Ilanivato izay tsy hita tao anaty lisitra ny ankamaroan’ny vahoaka izay nifidy tamin’ny fifidianana depiote. Rehefa nandeha ny fanisam-bato, betsaka ireo toerana nahitana vato nihoatra mitaha amin’ny mpifidy anaty lisitra raha tsy hilaza afatsy ny teny Ambohitsoa, izay nihoatra 60 ka raha 311 ny mpifidy dia tafakatra 371 ny vato tao anaty vata,…
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,