airtel

Politique

15-janv-2025

Fifidianana ben’ny tanàna teto Iarivo

Kihon-dalana goavana iankinan’ny hoavin’ny firenena

Sample post image

Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina

15-janv-2025

teo anivon’ny fitsaràna misahana ny ady amin’ny fanjakàna na TAF tetsy Anosy ny alatsinainy teo. Ny kandida natolotry ny fanoherana, tamin’ny alalan’ny vondrona politika Firaisankina, Tojo Ravalomanana, moa efa nampoizina fa isan’ny hametraka izay fitoriana izay, raha tsiahivina, ary dia nametraka tokoa ho fanafoanana ny vato azon’ny kandidà natolotry ny fitondrana na IRMAR, Harilala Ramanantsoa. Nanao toy izany ho an’ny kandidà voalaza teo ihany koa, tetsy ankilany ity farany. Mbola nitory ny kandida natolotry ny fitondràna koa anefa ireo kandida hafa toy ny avy amin’ny fanoherana ihany dia ny avy amin’ny antoko politika Tia tanindrazana, Tahina Razafinjoelina, izay nangataka ny fanafoanana na «disqualification» ny fandraisan’anjaran’ity kandidà sahy nilaza ny tenany ho kandidàm-panjakana ity. Nangataka izany «disqualification» sady fanafoanana vato izany koa ny kandidà Ndriana Razanamasy. Nilaza azy ny tsy hanaiky ilay fomba filaza mahazatra hoe «Azo raisina fa tsy mitombina» na ny mitovitovy amin’izay intsony koa, tao anatin’izany rehetra izany, ny kandidan’ny Firaisankina ka dia ho hita eo indray izany izay ho adiny hoe tena tsy hanaiky hatramin’ny farany tokoa ve sa hanaiky izay ifanarahana ihany avy eo? Na izany na tsy izany dia heverina fa kihon-dalana goavana iankinan’ny hoavin’ny firenena izay mety ho vokatry ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo. Raha toa ka ho azon’izao fitondràna izao aza ny renivohitry ny nosy, moa ve azo antoka fa hivaha amin’izay avokoa ny olana rehetra mahakasika an’Antananarivo, indrindra, amin’izao hetran-trano, izay heverina fa fidiram-bola betsaka indrindra ho an’ny kaominina, ho lasa tantanan’ny fitondràna foibe izao? Azo antoka fa ilamina tanteraka ihany koa ve ny fiainam-pirenena manerana an’i Madagasikara satria tsy hiverina intsony ireo tranga niteraka krizy toy ny tamin’ny taona 1972 na 2002 sy 2009?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.

Card image cap
07-févr-2025

Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny

Card image cap
07-févr-2025

Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana

Card image cap
07-févr-2025

Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny

Card image cap
07-févr-2025

An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,

Card image cap
06-févr-2025

Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo

Card image cap