airtel

Politique

23-avril-2024

FIFIDIANANA DEPIOTE AO

AVARADRANO Miala any sahady ny lalao maloto…

Sample post image

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

23-avril-2024

Raha araka ny vaovao azo omaly mantsy dia misy fakana dika mitovy amin’ny kara-panondron’ireo olom-pirenena feno taona tao amin’ny Fokontany Ankadindratombo, kaominina Alasora ny faran’ny herinandro teo. 3000 Ar no sandany omena ireo olona izay manao izany ka tsy vitsy ireo nijoro vavolombelona nilaza ho nahita ireo olona nampanao izany no sady nanonona anarana mihitsy hoy ny vaovao. Toraka izany koa ny cyber izay nanaovan’ireo olona ireo dika mitovy amin’ny karapanondrony. Ny tena nampalahelo tao anatin’ity tantara ity raha araka ny fanazavan-dRandriantsoa Jimmy, kandida solombavambahoaka laharana faharoa ao anatin’ny distrikan’Avaradrano dia ny anarany no voantonona ho naniraka ireo olona nampanao izany izay nitety tokantrano mihitsy. Voatery nametraka fitoriana olon-tsy fantatra ny tenany noho izany. Mampitandrina sahady araka izany ity Ben’ny tanana ity fa raha sanatria ka kilalao maloto no ao ambadik’izao dia tena tsy hanaiky izy ireo. Ho hentitra ny vovonana firaisankina izay nanolotra anay hoy izy hanara-maso mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana mba hiarovana ny safidim-bahoaka. Farany fa tsy kely dia miantso ireo mpifaninana ihany koa izy mba hanao lalao madio. Raharaham-pirenena no hatao hoy izy fa tsy sanatria kilalao koa raha tena samy vonona hampandroso marina dia aleo hajaina ny safidim-bahoaka fa tsy ahodinkodina. Mety ho karazana paikady handavoana ny kandida matanjaka ao anatin’ny distrikan’Avaradrano ve tranga niseho tao Ankadindratombo Alasora ity sa inona marina no tena tian’ireo tsy tia filaminana hatao ? Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, kandida Solombavambahoaka lisitra faharoa ao anatin’ny distrikan’Avaradrano !
 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Nolazain’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, ho efa vonona ny famatsiam-bola

Card image cap
03-mai-2024

Mila fahasahiana sy fihavanana ny fanovana eo anatrehan’ny fiakaran’ny vidim-piainana tsy araka ny fahefa-mividy,

Card image cap
03-mai-2024

Mandeha ny fanamarihana fa hatramin'ny 1991 dia ny kandidà Toavina Ralambomahay ao

Card image cap
03-mai-2024

Toy ny fanaony mahazatra dia nanofana ireo vehivavy kandida hilatsaka hofidiana

Card image cap
02-mai-2024

Hampandany tsy misy fepetra ny kandida Avotra sy Jimmy natolotry ny Vovonana Firaisankina

Card image cap
02-mai-2024

Akaiky fifidianana isika amin’izao fotoana izao, ary mandeha indray ny fomba rehetra hanjonoana na hanerena

Card image cap