airtel

Politique

08-avril-2024

Fifidianana depiote hafampana

Mihamafy ny romoromo sy ny ahiahy…

Sample post image

Andro farany ho an’ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo kandida ho depiote

08-avril-2024

anio alatsinainy 8 janoary 2024 hatramin’ny 5 ora hariva. Efa manomboka nitombo ny fandrotsahana antontan-taratasy ny sabotsy alahady lasa teo saingy mbola mametra-panontaniana hoe : hanao ahoana ny fahavitrihana mitaha ny tamin’ny 2019 izay niisa 803 nanerana ireo distrika 119 ? Amin’ity dia niampy 12 ny isan’ny depiote mitaha amin’ny teo aloha, ka ho lasa 163 raha 151 ireo ho tapitra taom-piasana. Henjakenjana ny sary politika mitranga ary tombanana hafana sy miorina kokoa eo ambony lonilony ity fifidianana ity noho ny tranga miseho mialohan’ny fotoana. Anisan’ireny ny kajikajy toy ny nampiakarana ho 20 tapitrisa Ar ny anto-bola, ny fisian’ny endrika sakantsakana toy ny fitarainana nataon’ny Sektretera Jeneralin’ny Antoko TIM sady kandida ao amin’ny Boriborintany faha-4 naneho ny fanasarotana ny dosie mikasika ny fanamarinana fandoavan-ketra, ny ahiahy sy ny sary politika ratsy nateraky ny fanonganan’ny HCC ny Filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha rehefa notorian’ny antokon’ny fitondrana ka niteraka sary ratsy nanamafy ny ahiahy fa na kandida tsy lany aza mety holaniana rehefa izay no mety amin’ny mpitondra,… Hampafana ny fifidianana ihany ny fisian’ny mpiray antoko ho lasa mpifaninana, toy ny fisian’ireo depiote am-perin’asa tsy natolotry ny antoko sy ny vondrona misy azy intsony, ka hisafidy handeha manokana, izay hita io na any amin’ny fanoherana na any amin’ny Antokon’ny fitondrana, izay betsaka no voahilika na napetraka ho lisitra faharoa, ka raha tsy poa-droa tsy tafavoaka. Mbola resaka hafa ny mikasika ireo nanohana tamin’ny fifidianana izay betsaka no tsy tafiditra tao anaty governemanta kanefa tsy tafiditra anaty hazakazaka ho eny Tsimbazaza.
MINISITRA MAROMARO HO KANDIDA…
Olon’ny governemanta maromaro no efa fantatra sy fantampatatra fa kandida, ka efa ofisialy ohatra ny maha kandida ao Fianarantsoa voalohany ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle ka navadika ho lisitra faharoa miaraka aminy Depiote am-perin’asa Seth Rajoelina. Kandida ao Ambositra kosa ny Minisitry ny Mponina Rtoa Fomendraza Haingo Elysette, izay naha be resaka ny dosieny nahitana fa teraka tamin’ny 1972 ary naka karapanondrom-pirenena ny taona 1983 tao Ihosy izany hoe : teo amin’ny faha-11 taonany, ankoatra ny filazana fa tany Ihosy no nakana izany, saingy miantomboka amin’ny 203 izay « code postal » an’Ambositra ny laharan’ny karapanondrony. Kandida ao Ampanihy Andrefana ihany koa ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa Andriamanantena Razafiharison, izany hoe : tsy ny depiote Marco Tsaradia izay lany tamin’ny tsy miankina ka nisara-dàlana tamin’ny depiote Idealson, ka nandeha nisarizoro tamin’ny volomboasary izany no hisalotra ny lokon’io antoko io fa ny minisitra. Hatry ny ela no nalaza fa ho kandida any Sambava ny Minisitry ny Atitany Atoa Tokely Justin, ho kandida any Morondava ny Minisitry ny fanatanjahantena Atoa Haja Resampa, any Antsirabe I na Faratsiho ny Minisitry fampianarana teknika Rtoa Lalatiana Rakondrazafy,… saingy andrasana ny fandrotsahana ny antontan-taratasy hanamarina na handiso izany. Tsy maintsy miala amin’ny toerana ireo mpikamban’ny governemanta mirotsaka hofidiana raha vantany vao voaray sy ekena ny firotsahan-kofidiny, araka ny voalazan’ny andininy faha-68 amin’ny lalàmpanorenana. Endrika iray maneho aloha ny fisian’ireo Minisitra kandida solombavambahoaka fa tsy matotra ny fitondrana Rajoelina, ary ny haka sy handrombaka fahefana no tena laharam-pahamehana. Ny sary politika mitranga ihany koa, dia betsaka ireo olon’ny volomboasary taloha no voahilika sy ho lasa mpifaninana na mpifanandrina mivantana aminy toy ny depiote Rahasimanana Paul Bert ao amin’ny boriborintany faha-4 ; ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa any Ikongo ; ny Filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha Christine Razanamahasoa izay naongana ka asa no mbola hirotsaka amin’ny anaran’ny tenany na tsia fa nafana ny hetsiky ny vahoakan’Ambatofinandrahana ny faran’ny herinandro teo naneho fa « tsy miala aminy »,… Mbola vanja milevina ho an’ny fitondrana ireny, ary vao mainka hamparefo azy ny fisian’ny namana nahilika. Mihamafy ny romoromo, fa eo ihany koa ny lonilony aterak’izay mety ho tsy fahatokisana izay valiny hivoaka eo.
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap