Filoham-pirenena Pastera Mailhol filohan'ny antoko Gideona Fandresena Fahantrana eto Madagasikara raha toa tanteraka avokoa ireo tolo-kevitra sy fangatahana hataony. Voalohany aloha hoy izy dia tsy tokony ho maika hanao fifidianana isika fa tokony vahana mi-hitsy aloha ny olana ara-pifidianana niteraka krizy teto amin'ny firenena vao miroso amin'izany .Tokony ho herin-taona mialohan' ny datim-pifidianana ihany koa dia manomboka ny fampielezan-kevitra hoy izy mba hitovy lenta ny kandida rehetra na tsy manana fiaramanidina sy helikôpitera aza amin'ny fitetezana ireo faritra rehetra manerana ny Nosy . Tsy tokony hiankin-doha loatra amin'ny vahiny isika amin'ny teti-bola hanatanterahana fifidianana mba hisian'ny fahaleovan-tena tanteraka ka hampidirina anatin'ny teti-bolam-panjakana amin'ny taona hoavy izany . Farany izay tsy kely akory hoy Pastera Mailhol dia tokony hijanona amin'ny fanampiana ara-pitaovana fotsiny ihany sisa ny vahiny. Raha milamina ny fepetra rehetra hidirana amin'ny Fifidianana madio sy mangarahara noho izany dia mety ho isan'ny Kandida ny Pasitera Mailhol raha ny nambarany omaly. Marihina moa fa mandray anjara mavitrika amin'ilay fikaonandoha savaranonando karakarain'ny CENI eny amin'ny CCI Ivato ny antoko GFFM.
Pati
Légende : Ny Pastera Mailhol filoha mpanorina ny antoko GFFM