airtel

Politique

12-déc-2024

Fifidianana nafampana

Niharan’ny fisamborana i Tody Arnaud sy Afakandro Christian

Sample post image

Mpanao politika roa isan’ny malaza dia ny depiote teo aloha Tody Arnaud sy ny depiote am-perin’asa Afakandro Christian

12-déc-2024

no nosamborin’ny mpitandro ny filaminana omaly. Nobedaina teo amin’ny biraom-pifidianana CEG Radama Toamasina i Tody Arnaud. Notondroina ho nikotrika fanakorontanana ny olona handeha hifidy ity mpanohana an’i Roland Ratsiraka ity. Voalaza anefa fa nahita porofo mahakasika ny endrika hala-bato tao amin'ny birao fandatsaham-bato EPP La Foire- Toamasina ity Solombavambahoka teo aloha ity, izay mpiray lisitra amin’ny kandida Roland Ratsiraka. Voalaza ihany koa fa nahatratra olona nizara vola izy tao amin'ny birao fandatsaham-bato tao amin'ny Radama Voalohany. Nalaina sary sy horonantsary tamin'ny finday avokoa izany. Raikitra ny sakoroka, nampandre ny mpitandro filaminana ny tomponandraikitra avy amin'ny IRMAR ka ity Solombavambahoka teo aloha ity no nosamborina ary noetina eny amin'ny "section de recherches criminelles", hoy ny mpisolovava an'i Tody Arnaud. Tsy nosamborina kosa ilay olona voalaza fa nizara vola sy nahazoana porofo. Tsy afaka niditra nanaraka azy tao amin'ny section de recherches criminelles an-kilany ny mpisolovava azy. Na izany aza, tafavoaka soa aman-tsara i Tody Arnaud, raha ny vaovao farany azo omaly takariva. Nosamborin’ny mpitandro ny filaminana ihany ny depiote Afakandro Christian, izay tazana nidina ifotony teny amin’ny toeram-pifidianana. Voalaza fa nisy ny fifamaliana teo amin’ity depiote ity sy ny kandidan’ny IRMAR. Nesorina taminy ny findain’ity depiote ity, ary notazonina ny tenany. Nisy foana nandritra ny andro vitsivitsy izay ny fizaran'ity depiote tamin'ny alalan'ny video direct tao anaty pejy Facebook-ny izay heveriny fa tsy fanarahan-dalàna mikasika ny fifidianana any an-toerana, ary mbola nanao izany iihany koa izy omaly maraina maraina. Samborina sy ampirimina aloha ireo ahiana ho mafimafy loha mety manohintohina ny teti-dratsy politika ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap