airtel

Politique

12-déc-2024

Fifidianana tao Alasora

Nihantrana niambina ny vato ny ekipan’i Jimmy

Sample post image

Anisan’ny toerana tena nafampana tamin’ny figafiana sy filam-banona nataon’ny mpifaninana Kandida Ben’ny tanana

12-déc-2024

sasany ny tao anatin’ny Kaominina Alasora,distrikan’Avaradrano nandritra ny fampielezan-kevitra teo. Ankoatra ny famakiana ny Qg sy ny fandrovitana na fanindriana afisy dia nisy ihany koa ny fibahanana ny kortezin’ny sasany ka ny Kandida Jimmy Randriantsoa natolotry ny TIM no anisan’ny tena lasibatra tamin’izany. Nisy ihany koa ny fangoronana kara-panondrom-pirenena sy kara-pifidianana nataon’ny sasany, ny fanoloana ny mpikambana eo anivon’ny birao fandatsaham-bato an’ity kandida iray ity …Tsy nanaiky araka izany izy ireo fa nandray ny andraikiny nandritra ny fifidianana Ben’ny tanana omaly Alarobia 11 Desambra fifidianana Ben’ny tanana. Anisan’ny asa nataon’izy ireo ny fanaraha-maso ny vato teny anivon’ny biraom-pifidianana ho fiarovana ny safidim-bahoaka. Nihantrana nanerana ireo biraom-pifidianana nisy ny ekipa nanatanteraka ny asa hatramin’ny alina ho an’ny Kandida Jimmy Randriantsoa hiarovana ny voka-pifidianana marina sy tena izy. Tsiahivina moa fa tao amin’ny Fokontany Ankadindratombo no nandatsa-bato ny Kandida Jimmy Randriantsoa omaly maraina.
Pati
Legende : Adidy amin’ny maha-olom-pirenena ny mifidy
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap