airtel

Politique

02-janv-2025

Fifidianana tsy tomombana

Maha ratsy fidy ireo olom-boafidy hatrany

Sample post image

Tsy mbola nisy fifidianana nandeha amin’izay laoniny fa dia fifidianana tsy tomombana hatrany aloha izany no

02-janv-2025

niainana teto amin’ny firenena hatramin’ny taona 1971 no ho nankaty, rehefa iverenana ny akon’ireo tantaram-pirenena. Hala-bato, hoso-pifidianana, fanodinkodinana safidim-bahoaka, voambolana manako hatrany izany tao anatin’ireo fifidianana rehetra nifanesy na resaka filoham-pirenena io na solombavambahoaka na ben’ny tanàna na inona na inona. Ny tamin’iny fifidianana kaominaly 2024 iny moa no voalaza fa be tsy fahatomombanana indrindra. Samy nitanisa izany avokoa na sehatra iraisampirenena na fiarahamonim-pirenena na vondrona politika, hatramin’ny seha-pivavahana. Mbola manana hatramin’ny 24 janoary, raha ny tokony ho izy, raha ny lalàna mikasika ny fifidianana izany no jerena, ireo tsy afa-po rehetra ka manan-ko toherina manoloana izay vokam-pifidianana izay. Na izany na tsy izany dia andrasana hatrany nefa ny mety ho fivoaran’ny raharaham-pirenena fa ny heverina fa marina tsy azo lavina kosa anefa ao anatin’izany rehetra izany dia ny hoe maha ratsy fidy na hoe «mal élu» ireo olom-boafidy hatrany izay fifidianana tsy tomombana tsy mety voadio eto amin’ny firenena hatramin’izao izay, raha tsy hilaza afa-tsy ny fahalainan’ireo olompirenena mandray anjara amin’izany fifidianana izany fotsiny, izay mbola tsy mety mahatratra ny atsasa-manila ihany na lahoana vao mahatratra izany ny taha-pahavitrihany na dia eo aza ireo voalaza ho fanaovana hosoka samihafa toy ny resaka «doublon» na verindroa ao anaty lisi-pifidianana sy ny resaka «ordonnance» na fanovonana izany lisitra izany.
J. Mirija
( Sary fanehoana)
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap
21-mai-2025

Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »

Card image cap
21-mai-2025

Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena

Card image cap
20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap