airtel

Politique

08-avril-2024

Fihetsiketsehana tany Ambatofinandrahana

“Tsy ekenay ny fanesorana ny depiotenay, tsy miala amin’i Christine R.”

Sample post image

Nafampana tao Ambatofindrahana tamin’iny faran’ny herinandro iny.

08-avril-2024

Nanao hetsika naneho ny tsy fanekena ny fanesorana ny Filohan’ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa ireo mponina. Voafidim-bahoaka ara-dalàna, fanitsakitsahana ny zonay! Raisinay ho fanosihosena ny zo aman-kasin’ny safidinay, ary fanaovana tsinontsinona ny voalazan’ny lalàmpanorenana. Avereno ny depiotenay, tsy ekenay, tsy ekenay,… hoy ny horakakoraky ny vahoaka. Ankoatra ny horakaroka dia naneho izany tamin’ny alalan’ny sorabaventy ny vahoakan’Ambatofinandrahana, taorian'ny fanesorana tsy ho depiote an-dRazanamahasoa Christine. Santionany tamin'izany ny hoe : "Aza hosena ny zonay Ambatofinandrahana", "Tsy ekenay ny fanesorana ny depiotenay Ambatofinandrahana", "Izahay tsy miala amin-dRamatoa Christine",... Fanontaniana mipetraka ny hoe: mbola ho kandida solombavambahoaka ve ity farany sa tsia eo anatrehan’ny fisian’ireo vahoaka naneho fa tsy miala aminy?
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap