airtel

Politique

05-déc-2024

Fijoroana vavolombelona

« Aleo tenenina ny tena marina »

Sample post image

Lavitry ny kaonty fako sy ny tsaho iniana aparitaka. Mijoro ary miseho mivantana ireo olona mahafantatra tsara an’i Tahina Razafinjoelina

05-déc-2024

efa hatrany amin’ny taona 2001. Olona manana ny maha izy azy na tamin’ny asa aman-draharaha sy ny andraikitra ambony nosahanina teto Madagasikara na amin’ny asa atao any ivelany amin’izao fotoana. Nampianatra an’i Tahina aro ary fantatro tsara izy, haiko ny fomba fiasany ary tsy olona voavidy vola izany mihitsy raha i Tahina, hoy i Haja Razafinjatovo minisitry ny vola. Tabiha sy rehareha ho an’ny firenena nyfananana olona tahaka an’ i Tahina Razafinjoelina, hoy i Henri Ranaivoson, chief of Staff teo anivon’ny fiadidiana ny repoblika. Olona roa manana ny maha izy azy ary vavolombelon’ny tantaram-pirenena nanomboka ny taona 2001 no mankaty izy mirahalahy ireo. Milaza ny zava-misy marina, tsy ho lazaina kosa angamba hoe notambazana. Mahatsapa kosa izy ireo fa manana adidy manoloana ny zava-misy ka tsy maintsy milaza ny marina.
RTT
 

Dans la même rubrique

24-août-2026

Lohavehitra 7, ho voaresaka ireo raharaha mafana ?

Card image cap
21-août-2026

Raha vao miresaka fianakaviambe

Card image cap
21-août-2026

ary mahafantatra tsara ny fiasan’ny SADC»

Card image cap