airtel

Politique

18-nov-2025

FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA ERAN’NY NOSY

Mijoro hanamaivana ny olan'ny Ben'ny tanana

Sample post image

Mijoro hanamaivana ny olan'ny

18-nov-2025

Ben'ny tanana ary indrindra mijery ny fomba rehetra hanampiana azy ireny no antom-pisian'ny Fikambanan'ny Ben'ny tanana manerana ny Nosy, tarihin-dRado Ramparaoelina, Ben'ny tananan'Ampitatafika, distrikan'Atsimondrano. Efa betsaka ny ezaka vita hatreto na dia mbola asa tsy handraisana tambiny aza ny asa ny Filohan'ny fikambanana raha araka ny fanazavana azo omaly. Anisan'izany ny fanampiana ireo Ben'ny tanana namana izay nofantsihin'ny olona ny varavarany ka tsy nahafahany niasa. Nanampy azy ireny tamin'izany ny fikambanana sy ny Ministeran'ny fitsinjaram-pahefana, ny Ministeran'ny fanajariana ny tany...ka nahafahana nanetsika ny OMC, ny distrika ary ny préfet. Ankoatra ireo dia mitohy ny fangatahan'ny fikambanana uminite ho an'ny Ben'ny tanana manerana ny Nosy hoy Rado Ramparaoelina. Tsy misy mantsy ny sekoly ho an'ny Ben'ny tanana hoy izy nefa misy ireo Ben'ny tanana tsy mahay mamaky teny na manoratra akory fa tiam-bahoaka dia voafidy. Mila uminite izy ireny mba ho fampitandrema ho azy izay vao mihafara amin'ny fanagadrana. Ilana uminite ihany koa ny zavatra hafa hoy izy toy ny resaka tsenam-barom-panjakana izay olona ambony nianatra 7 taona no mifampitana amin' ny Ben'ny tanana rehefa tojo olana nefa ireto farany tsy niofana afa-tsy 2 andro monja...
Pati
Légende : Rado Ramparaoelina no Filohan'ny fikambanan'ny Ben'ny tanana manerana ny Nosy !
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap