airtel

Politique

12-janv-2024

Fikambanana Manda sy aron’ny maha gasy

“Tsodrano amboletra matetika no hita angatahana eto!”

Sample post image

Mila mahalala ny anjara toerany ny tsirairay eto amin’ity firenena ity, hoy ny fikambanana

12-janv-2024

Manda sy aron’ny maha gasy, fa tsy hoe ankizy kely andeha hilingilingy handeha hitondra teny anatrehan’ny fotsy volo raha tsy nahazo tsodrano. Tsy tsodrano amboletra no hangatahana hoe omenareo tsodrano aho andeha hanao zavatra toy izao, hoy ny filohan’ity fikambanana ity, Josephin Andriandrainarivo. Fantatry ny raiamandreny hoe ranona itsy no nomenay tsodrano hanao an’io. Tsodrano amboletra matetika no hita angatahana eto! Manaiky fotsiny ilay raiamandreny fa tsy izy anefa no manao mazia fa laha-janahary sy ny razana io. Raha tsodrano araka ny rariny sy hintsiny iny dia mamokatra, mahazo soa ilay olona. Raha tsodrano amboletra no hangatahana, ohatra, hoe vavy tokana dia mangata-tsodrano amin’ny ray aman-dreniny hoe omeo tsodrano aho fa hanao masera dia halahelo ihany ny fon’ilay ray aman-dreny hoe ity zanako ity izany dia tsy hananako zafy sy taranaka nefa moa izay no tiany koa. Omena ihany ilay tsodrano. Kizo fara nefa avy eo izy 3 mianaka. Tahaka izany ireny mangata-tsodrano etsy sy eroa ireny. Matinkenamaso ilay raiamandreny avy eo. Raviravezana vola dia tonga amin’ny hoe raha noana ny kibo mivezivezy ny fanahy. Lasa mivezivezy koa ny fanahin’ny raiamandreny ara-drazana sasany. Ny sasany nanao propagandy. Ny sasany nirotsaka ho mpanohitra. Tsy tokony ho izy daholo izany. Samy manana ny toerana eto amin’ity fiarahamonina ity ny tsirairay fa tsy hoe hirotsaka ho mpivavaka daholo dia hitoriteny isan’andro na hanao mpampianatra daholo na hanao politika daholo na miaramila daholo. Ny olona miantso amin’ny onjapeo samy milaza ho mahay io rehetra io daholo. Mbola aiza nefa isika izao. Rehefa mikorontana dia olona iray no andeha omena tsiny. Matetika moa dia ny mpitondra ihany. Samy tomponandraikitra isika malagasy rehetra fa ny loza nihavian’ny fanafitohinana dia ny mpanao politika sy izay manao herisetra ara-pivavahana tsy mahalala fetra. Ny hery tsy mahaleo ny fanahy, hoy ny fitenenana, ary amintsika malagasy dia ny fanahy no olona. Rehefa miaina izany isika dia mandresy izao zava-misy izao. Mila atsangana ny fiarahamonina any ifotony. Esory ny resaka mpanohitra sy mpitondra na mpomba fitondrana, hoy hatrany ity fikambanana ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap