airtel

Politique

15-oct-2025

Fikambànan’ireo lasibatry ny fitondràna Rajoelina

«Andao haverina ny rafitra fokonolona!»

Sample post image

Be dia be ireo lasibatr’ity fitondràna Rajoelina ity,

15-oct-2025

hoy ny Fikambànan’ireo lasibatry ny fitondràna Rajoelina, omaly. Ny tsy maintsy hitenenanay sy hanaovanay antsoavo androany, hoy izy ireo, dia misy ny gadra politika izay nahazo fahafahana tamin’andriamatoa Andry Rajoelina miisa 8. Ny zava-misy nefa dia tsy ireny irery no lasibatra tamin’ny fitondràna Rajoelina fa be dia be ary mbola misy hatramin’izao ireo mitondra takaitra any am-ponja, ankoatran’ireo efa nivoaka ety ivelany. Manamafy izahay androany fa mbola tsy vita ny tolona raha tsy miala andriamatoa Andry Rajoelina. Miantso ireo naratra, ireo fianakavian’ny maty, ireo gadra politika, eny na mbola ireo sazy miantona aza. Fanaovana tsinontsinona ny malagasy ny fitenin’ny filoham-pirenena. Amin’izao toe-draharaha izao izy mbola manao propagandy ihany. Mbola zavatra an-kibon’ny omby ihany mba tsy ilazàna hoe petatoko hatramin’ny voalohany no resahany. Efa tsy filoha matoa mitsoaka. Tena vahoaka malagasy fa tsy mpiray tsikombakomba amin’ny frantsay ny CAPSAT ary torahana voninkazo manokana! Ny filoham-pirenena no olana eto satria frantsay. Izao i Emmanuel Macron mihitsy no mirotsaka manampy azy. Ahoana no inoana amin’izany hoe malagasy no mitondra ny tany? Andao haverina ny rafitra fokonolona! Rehefa hiresaka ihany dia andao hatao eo amin’ny samy malagasy izany, hoy hatrany ny antson’ity fikambanana ity!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

10-nov-2025

Mankato ny Kolonely Michael Randrianirina

Card image cap
07-nov-2025

andresena ny fitsabahan’ny any ivelany»

Card image cap