airtel

Politique

05-oct-2026

Fikaonandoham-pirenena

Ny Mpitandrina Barinarivo

Sample post image

Rajosoa no hitarika ny ao Toamasina

05-oct-2026

Tontosa ny sabotsy teo ny fotoam-pivavahana fankalazàna an'Andriamanitra noho ny fandraisan-tanana ny Prezidà Synodaly eo anivon'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM ho an'ny Synodam-paritany Toamasina vavahadin'ny filazàntsara. Noraisin-tanana tamin'io fotoana io, araka izany, ny Prezidà Synodaly, Mamy Barinarivo Rajosoa, Mpitandrina, 4 mianaka. Ny Soratra masina ao amin'ny Baiboly Kristianina voasoratra ao amin'ny Hebreo 13: 18 manao hoe "Mivavaha ho anay fa matoky izahay fa manana fiheritreretana tsara ka te hitondra tena tsara amin'ny zavatra rehetra!" moa teny nofidiany sy ny ankohonany ho filamatra manoloana izao adidy masina napetraky ny FJKM aminy izao. Izy ihany koa, araka ny nampahatsiahin'ireo solontenam-panjakàna sy ny solontenan'ny FFKM na ny Fiombonan'ny fiangonana Kristianina eto Madagasikara tonga nanontrona izao fotoana izao no nifanarahana hitarika ny fikaonadoham-pirenena tarihin'ny FFKM ao amin'ny faritanin'i Toamasina. Mivavaha ho anay, araka izany, hoy ny Mpitandrina Barinarivo Rajosoa, fa tsy mora ny adidy napetraky ny fiangonana sy ny firenena aminay.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

05-oct-2026

nentina, voafehy sy miakatra ny toekarena

Card image cap
05-oct-2026

ilaina fa tsy politikan'ady seza

Card image cap
02-oct-2026

Hankalazaina miavaka ny 14 oktobra

Card image cap
02-oct-2026

Nitohy tamin’ny lalao ara-panatanjahantena omaly

Card image cap
02-oct-2026

Havadika ho asa mitera-bokatsoa

Card image cap