andraikitra teo amin’ny fitarihana ny Central Intelligence Service (CIS). "Ireny zavatra efa nolazaiko ireny ary tsy kilalao, misy toeran-kafa hanendrena ahy, izay mbola tsy azoko lazaina ", hoy ny Contrôleur Général de Police Libiria Ruffin, izay tsy ampy iray volana dia niala. Nandray ny toerany ny Kolonely Fetrarivo Rabemanantsoa, ary izy izao no mitantana ity rafitra stratejika ity, taorian'ny fametraham-pialan'ny Tale Jeneraly teo aloha Contrôleur Général de Police Libiria Ruffin. Nandritra ny lahateniny dia nanamafy ny Tale Jeneraly vaovao fa hifanaraka tanteraka amin’ny làlan’ny Fiadidiana ny Repoblika ho amin’ny Fanavaozana ny CIS, ka hanamafy ny mangarahara, ny ady amin’ny kolikoly ary ny fanamafisana ny fe-potoana anatiny. Ny tanjony dia ny hanavao lalina ny fomba fiasa mba hampitomboana ny fahombiazan’ny sampan-draharaha amin’ny fiarovana ny tombontsoa nasionaly. Nandritra izany, mbola mitohy ny fanadihadiana momba ny fikasana hanao fanonganam-panjakana, raha ny nambarany."Miasa dia makany amin'ny filaminana foana ny tanjona ahafahana mampandroso. Mandray ny andraikitra ny tenako izao. Misy ny fanadihadiana izay misokatra ary mandeha tsara ka miandry ny tohiny isika. Vao mandray ny fitantanana ny tenako ka mbola sarotra amiko ny hiteny hoe aiza ho aiza ny tohin'iny raharaha iny", hoy ny Kolonely Rabemanantsoa Fetrarivo. Tsiahivina hatrany fa nisy ny fampahalalam-baovao ofisialy navoakan'ny CIS ny 08 novambra fa misy volabe 2 miliara Ar sy basy vaovao 6 tratra, ary teratany vahiny 2 nosamborina. Iray iny fa betsaka ihany koa ny endrika fambolena korontana, fanalam-baraka, fihantsiana,… mandeha amin’izao, eny fa misy resaka hatramin’ny fikasana hanongam-panjakana aza. Andaniny, nanamafy ny Jeneraly Itibar Ottman, Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika ho amin’ny Fanavaozana, zava-dehibe ny firaisankina sy ny fiombonana eo amin’ny andrim-panjakana sy ny olom-pirenena, izay heverina ho antoka fototra amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tsara marihina fa ny CIS, dia eo ambany fahefana mivantan’ny Fiadidiana ny Repoblika, rafitra nasionaly manokana amin’ny fitrandrahana vaovao stratejika sy fanangonana vaovao saro-pady ho an’ny fiandrianam-pirenena. Izy no “maso sy sofina” ho an’nyFanjakana, ny iraka napetraka aminy dia ny mialoha sy manohitra ireo loza mety hanohintohina ny fiarovana nasionaly, na avy ao anatiny na avy any ivelany. CIS no mandimby ny DGIDIE na "Direction Générale des Investigations et de la Documentation Intérieure et Extérieure" fahiny.
Toky R