Nanao ranolava ny fandehanana tany Afrika tato ho ato ankoatra ireo dia efa am-polony mahery nanomboka tamin’ny janoary, ka heverina ho misy tanjona ara-politika ihany ankoatra ny diplaomasia, dia ny fanaovana propagandin’Atoa Richard Randriamandrato ho kandida ho Filohan’ny Kaomisionin’ny Vondrondra Afrikanina. Io firotsahana io izay heverina fa nentina nisotasotana an’Atoa Hery Rajaonarimampianina izay efa nifampiresaka tamin’ireo mpitondra Afrikanina sasany. Hatramin’izay isika tsy niraharaha firy na i Afrika na ny SADC, ary tsaroana tsara aza tamin’ny tetezamita ny hoe : alefaso aty ny tafika ny SADC hanaovanay fanazaran-tena. Sanatria manamaivana ny kandida aroson’i Madagasikara fa mandinika sy mijery ny zava-misy iraisam-pirenena sy ny eto an-toerana dia mametra-panontaniana ihany hoe : Ahoana moa no handresen'Atoa Richard Randriamandranto an'i Railä Odinga izay efa Filoham-pirenena teo aloha ary tohanan'ny Filoha amperin'asa ao Kenya ? Tsy Atoa Hery Rajaonarimampianina ve no miady kokoa ny lalao ? Mpilalao divizionina faha-4 no ajoro kanefa lalao iraisam-pirenena no atao, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny HVM Atoa Rivo Rakotovao herinandro lasa izay, ka asa hanao ahoana tokoa ny ho vokany amin’ny volana febroary 2025 hanaovana ny fifidianana ?
Toky R
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,