airtel

Politique

20-nov-2025

Filoha Randrianirina Michael

« Tsy mbola misy resaka hilatsaka aho na tsia !

Sample post image

Ny vahoaka no masi-mandidy !»

20-nov-2025

Somary niteraka adihevitra politika sy nisy nandrirotra ny valin-tenin’ny Filoham-panjakana Randrianirina tao anatin’ilay dinidinika nataony andro vitsy lasa, mikasika ilay hoe : ho kandida sa tsy amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ho avy ? « Samy manana ny andraisany azy. Raha niresaka an’iny aho dia tsy niresaka ny hoe : hilatsaka na tsy hilatsaka fa ny tiako hotenanina amin’iny dia tsotra, te hampiseho aho hoe : ny tenim-bahoaka dia tenin’Andriamanitra ka ny vahoaka no masi-mandidy, izay no tiako tenenina amin’iny fa tsy izaho hilatsaka na tsy hilatsaka. », hoy ny ampahan’ny valin-tenin’ny Filoham-panjakana. Notsipihiny indray fa mbola tsy any amin’ny resaka firotsahan-kofidiana isika izao, fa any amin’ny resaka fanavaozana. Nanamafy izy raha niatrika ny fikaonan-doham-pirenena Kristianina teny Mandrimena omaly, fa tsy maintsy hirosoana ny fikaonan-doha. « Zava-dehibe satria manao « refondation isika », anisan’ny efa noresahana ny fanovana sy fanavaozana ara-toe-tsaina, fa misy zavatra tokony hovaina ihany koa ny fanahy », hoy ny Filoham-panjakana. Navoitrany fa tsy maintsy hirosoana ny « concertation nationale ». « Tsy maintsy mandeha, tsy voatery hoe misy fanampiana avy any ivelany vao afaka mandefa azy », hoy ny Filoham-panjana. Ny mbola andrasana dia ny fitsanganan’ny Minisiteram-panjakana miandraikitra ny fanavaozana, fa ny Fanjakana izao efa manome ny fahefana na « mandat » amin’ny FFKM izay efa miasa, ka vao mahazo an’izay « mandat » izay dia manolotra ny drafitra hitondrany azy. Notsipihiny fa ny FFKM no mitarika an’io fa ny Fanjakana manaraka sy manampy fotsiny. Ny zavatra voateny ao amin’ny « concertation nationale » dia tsy ny Fitondrana no mibaiko, fa miainga avy amin’ny hetahetan’ny vahoaka, ny zavatra avy any ifotony no akarina,… havoaka ho tondrozotra. Mikasika ny vatosoa sarobidy émeraude sur gangue 300 kg kosa raha nanontanian’ny mpanao gazety mikasika ny hoe efa talohan’ny 2008 tokoa ve dia tsotra ny namalian’ny Filoham-panjakana azy fa mandeha ny fanadihadiana, ny azo lazaina dia hita tao ambany dia iny izy navoaka ho fanta-bahoaka hanehoana fa mangarahara ny Fitondram-panjakana amin’ny zavatra ataony. Aseho fa ny harena Malagasy dia ho an’ny Malagasy, izay no tanjona fa tsy sanatria hisolo hazo afaka andro vitsivitsy, hoy ny Filoha. Andrasana ny tohiny…
Toky R

 

 

 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap