airtel

Politique

16-oct-2025

Filoha teo aloha naloam-bahoaka

Any an-tsesin-tany no midingin-drambo

Sample post image

Namoaka fanambarana ny fitondrana teo

16-oct-2025

aloha notarihin’i Andry Rajoelina, tamin’ny alalan’ny pejiny ofisialy ao amin’ny Facebook izay tsy fantatra intsony izay tena mikirakira azy. Nilaza ho manameloka ny fanapahan-kevitry ny HCC tamin’ny 14 Oktobra, izay nanambara ny fahangan-toeran’i Andry Rajoelina sy niangavy an’i Kolonely Randrianirina Michael, handray ny fitantanana ny Firenena. Niampanga izany ho tsy ara-dalàna sy tsy nanaraka fitsipika sy fepetra, ary nampiasaina tsy ara-dalàna ny fanapahan-kevitra nataon’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena. Niezaka nanamarin-tena ka nivoy fa nisy tsindry sy fandrahonana nahazo ny HCC. Miezaka manao fanentanana hiantso ny tanora hanohitra ny Fanjakana misy i Andry Rajoelina sy ny ekipany izay miezaka mivoy ny resaka demokrasia sy lalàmpanorenana, rehefa tsy eo amin’ny toerana. Na tiana na tsy tiana, dia tsy any amin’i Andry Rajoelina intsony herim-bahoaka, tsy any aminy intsony ny tafika,… hany ka miezaka manao « campagne de diabolisation » na fanelazana fanaratsiana hoentina manenjika sy miampanga ny Fanjakana mijoro ho tsy ara-dalàna i Andry Rajoelina sy ny ekipany. Mazava anefa ny didin’ny HCC, izay nanamafy ny fahabangan-toeran’i Andry Rajoelina, ny fahabangan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona,… Efa nandrava ny governemanta rahateo i Andry Rajoelina, ka tsy nisy afatsy Praiminisitra sy minisitra 3 misahana ny filaminana sisa no teo. Efa tsy nandray baiko avy tamin’i Andry Rajoelina ny sehatra maro teto amin’ny Firenena, nanatsahatra ny asany ny sehatra ara-panjakana samihafa,… Niray feo tamin’ny fitakiana ny fametraham-pialany ny vahoaka, ny mpiasam-panjakana, ny rafitra maro,… saingy mbola miezaka mikiribiby sy misora-tena ho Filoham-pirenena hatrany ity Filoha teo aloha ity. Raha tena olona sahy niatrika sy mihevi-tena ho filoha mbola tohain’ny Malagasy ka manana ny fanohanana na « adhésion populaire » marina i Andry Rajoelina, tsy nitsoa-pahana any ivelany. Firenena no resaka eto fa tsy orinasa na asa ampitain-davitra ! Dia tsy mba mahay manetry tena sy manaja tena hatrany ve hatramin’izao ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap