Mifarana anio 31 mey 2023 ny fisoratana anarana anaty lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana Nasionaly. Kihon-dàlana farany izany ity androany ity ahafahan'ny olompirenena izay mbola tsy anaty lisitra misoratra anarana sy manitsy izay mety ho fahadisoana. Afaka manatona eny amin'ny Biraom-pokontany miaraka amin'ny karapanondrom-pirenena izay mbola tsy tafiditra. Ny alarobia 31 martsa no daty voatondro hamaranana izany. Andrasana ny mety ho isa farany mitaha amin’ny tanjona 13,5 tapitrisa napetraky ny CENI, fa raha tamin’ny fanakatonana vonjimaika farany, dia ambany, mbola latsaky tamin’ny fifidianana 2018 aza ny isan’ny mpifidy. Ny faran’ny herinandro teo, 3 andro mialohan’ny fifaranany anio. Nilaza ny CENI tamin’ny alalan’ny Tale Kabinetrany Atoa Jean Louis Andriamifidy, fa mbola ambany ny taham-pisoratana anarana ho an'Antananarivo. Izany no antony nambara fa nidinan'ny ekipan'ny CENI manao fanentanana ifotony tao anatin’ny andro vitsivitsy mialoha ny hikatonan'ny fisoratana anarana izao. Ny fokontany anatin'ny boriborintany faha 2, faha 3, faha 4 no notetezina nanaovana fanentanana ny 27 may. Sady nanao fanentanana amin'ny alalan'ny zava-maneno ny ekipan'ny CENI no nitafa nivantana tamin'ny mponina. Nambara fa tsikaritra tamin'ny firesadresahana fa mazoto ny olona hisoratra anarana. Misy ihany koa ny nilaza ny tsy fahatomombanana hitany, raha ny tatitra hatrany. Tao ihany koa ny nitaraina momba fikatonan'ny biraom-pokontany. Toromarika nomena ny fokontany tsirairay ny hisokafany manomboka amin'ny 8 hatramin'ny 6 ora hariva, mba hahafahan'ny olompirenena misoratra anarana. Andrasana moa izany ny fivoarana eo amin’ny lisitra nasionaly, izay ny 10 jona no tokony ho fantatra tanteraka, ary io no hiatrehana ny fifidianana.
Toky R
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny