Nivadika ny pejy ! Nifarana tanteraka omaly 14 oktobra 2025 ny fitondran’i Andry Rajoelina ny Firenena. Nandray andraikitra niainga tamin’ny fitakiam-bahoaka ny tafika, nitsagana ny Fiadidiana iombonana ho an’ny fanavaozana na « Conseil présidentiel de la refondation », araka ny fanambarana ofisialy notarihin’ny Kolonely Randrianirina Mickael teny amin’ny Lapan’Ambohitsoritra omaly tolakandro. « Manoloana ny fanitsakitsahana misesisesy ny lalàmpanorenena, ny tsy fanajana ny zon’olombelona, ary ny fanaovana ampihimamba ny harem-pirenena izay miteraka fahasimban’ny toekarena, ka nahatonga ny fitsanganan’ny tanora narahin’ny vahoaka manontolo manerana ny Nosy. Nitsangana ny Fiadidiana iombonana ho an’ny fanavaozana izay namoaka ny didy hitsivolana ara-panorenena laharana 2025-001 », hoy ny fanambarana. Nampiato ny lalàmpanorenana tamin’ny 11 novambra 2010 amin’ireo andininy mifanipaka amin’io didy hitsivolana io. Mametraka rafitra fanavaozana nasionaly hamaly ny hetahetan’ny vahoaka amin’ny famerenana ny demokrasia, fanarenana ny fitokisana amin’ireo andrim-panjakana, ary ny fananganana fitondrana miorina amin’ny rariny, tsara tantana, ary mandray andraikitra amin’ny vahoaka. Atsahatra ny andraikitr’ireo andrim-panjakana ka tsy voatazona ny Antenimierandoholona, HCC, CENI, HCJ, ary ny HCDDED,… Manohy ny asany ny Antenimierampirenena. Ity Fiadidianana iombonana ho an’ny fanavaozana dia hisy rafitra iombonana manatanteraka ny asan’ny filoham-panjakana, ny governemanta, antenimiera amin’ny endrika ankehitriny, fitsarana avo momba ny fanavaozana sy ireo rafi-pitsarana,… Maharitra 2 taona ny vanim-potoana fanavaozana ka ao anatin’izany no hanaovana ny fitsapakevi-bahoaka hametrahana lalàmpanorenana vaovao sy fifidianana hametrahana ireo andrim-panjakana vaovao.
NATOLOTRA ARA-DALANA NY FAHEFANA
Nifameno tamin’io na misy fifanipahana kely ihany aza ny didy noraisin’ny HCC (10-HCC/D3) izay nanamarina mazava fa banga ny toeran’ny Filoham-pirenena sy ny Filohan’ny Antenimierandoholona. Ny andininy faha-52 amin’ny lalàmpanorenena raha hiverenana no mamaritra fa raha misy fahabangana eo amin’ny Filoham-pirenena dia ny Filohan’ny Antenimierandoholona no miakatra. Milaza anefa ny HCC amin’ny fanapahana fa voamarina ny fahabangan-toerana amin’ireo toerana roa ireo ; tsy afaka manatanteraka intsony ny andraikiny amin’ny maha Filohan’ny Repoblika ny Filoha amin’izao fotoana izao. Noho izany dia noraisina ny didy manendry ny manampahefana miaramila, tarihin’ny Kolonely Michael Randrianirina, ny HCC mba hanatanteraka vonjimaika ny asan’ny Filoham-panjakana. Nambara fa mitohy ny asan’ireo andrim-panjakana sy rafitra ara-dalàna rehetra amin’ny fomba mahazatra azy. Raha raisina amin’io, tsy misy resaka fanonganam-panjakana ara-miaramila na « coup d’Etat militaire » fa fanapahan-kevitra niainga avy amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenena, ankoatra ny « motion de décheance » na fanonganana nataon’ny depiote izay 130 tamin’ny 131 tonga nandatsa-bato no nanongana an-dRajoelina, taorian’ny didim-panjakana noraisin’ity farany izay mandrava ny antenimierampirenena araka ny andininy faha-60 amin’ny lalàmpanorenana, saingy nosokajian’ny depiote ho tsy manan-kery sy tsy ara-dalàna satria tsy nakana ny hevitry ny filohan’ny antenimiera araka ny voafaritr’io andininy io, ary tsy nisy sonia sy fitomboka.
MAIKA NY SOSIALIM-BAHOAKA
Nitanjozotra niazo ny CAPSAT avy eo ny miaramila sy ny vahoaka taorian’ny fanambarana. « Fandraisana andraikitra no natao fa fanonganam-panjakana », hoy ny Kolonely Randrianirina Michael. Tsy nisy poa-basy, tsy misy naratra, tsy nisy korontana, fifanarahana tanteraka teo amin’ny samy miaramila. Hampiantso ireo rehetra nandray anjara tamin’ny hetsika, indrindra fa ny tanora. Hijery ny Praiminisitra avy eo. Misy filankevitra ahitana miaramila sy sivily, ka olona tia tanindrazana no handrafitra izany. Mikasika ny taratasy nataon’i Andry Rajoelina mandrava ny Antenimiera, dia ohatran’ny taratasy tsy misy sonia, hoy ity kolonely ity. « Tsy dia mahay lalàna aho, asa raha misy « vide juridique » fa raha izaho tsy mahay lalàna dia ohatran’ny tsy haiko iny taratasy tsy misy sonia iny », hoy izy. Mbola hampiantso ny herivelona rehetra indrindra ny tanora, hidinika, tsy hanapa-kevitra samirery ny miaramila, fa hiantso sy hihaino ny hetahetan’ny rehetra. « Tsy olona « charlatan » ka afaka hiteny hoe androany dia ho voavaha daholo ny olana, fa hiezaka izahay, indrindra fa manoloana ny olana ara-tsosialy, jiro sy rano, vidim-piainana », hoy ny Kolonely Patrick Randrianirina. Ara-politika, dia havoaka daholo ireo gadra politika, mba hisian’ny fifampitokisana sy fihavanana ho an’ny rehetra.
Toky R