airtel

Politique

29-nov-2024

Fitondrana banky ropitra

Hoesorina amin'ny kaominina ny hetran-trano

Sample post image

Havadika amin'ny Fanjakana Foibe ny fakana hetran-trano na IFPB (Impôt foncier sur la propriété batie),

29-nov-2024

araka ny fanovana katsahin'ny Fanjakana ao anatin'ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana na LFI 2025. Endrika maneho fa tsy manam-bola ny Fanjakana ka miroso amin'ny ampihimamba sy manao izay fomba rehetra hangejana izay sehatra rehetra mety hahazoana vola. Raha fanapariaham-pahefana sy vola na "décentralisation" no tokony hatao dia "centralisation" no misy. Tranga efa nisy teto ny nakana sy nangejan'ny Fanjakana ny tamberiny avy amin'ny Orinasa Ambatovy anjaran'ireo kaominina 25 manodidina, nentina tamin'ny hoe tsy maintsy ampandalovina ny Fanjakana Foibe ny tetikasa hampiasana azy, dia io indray fa ny hetran-trano mba loharanom-bolan'ny kaominina no hotangosana. Efa tsy tonga any amin'ny kaominina ny vola fa atao ampihimamba aty amin'ny Fanjakana Foibe ary lanilaniana fahatany amin'ny kirendrarendra sy zavatra tsy tena mamaly ny filam-bahoaka toy ny teleferika 152 tapitrisa dolara sy Kianja 77 tapitrisa dolara dia mbola tsihifina indray ny kely eny anivon'ny vondrom-bahoaka intsinjaram-pahefana. Raha hiverenana, 30 tapitrisa Ar isan-taona ny fanohanana ara-bola ho an'ny kaominina ka eo amin'ny 80 miliara Ar eo izany ho an'ny kaominina 1695 manerana ny nosy. Mety ampahadimin'ny tetibolana minisitera iray raha atao ny salan'isa. Fampandrosoana inona no vitan'izany? Dia io fa ny mbola kely mba fidiram-bola ho an'ny kaominina atao ampihimamba raha tanteraka sy eken'ireo andrim-panjakana io. Midika ho fihemorana goavana ara-pitantanana io satria raha ny tokony ho izy dia miainga eny ifotony aza no tokony hanatosahana ny volam-panjakana hoenti-manatanteraka ny fampandrosoana, saingy ny mifamadika amin’izay izany no hitranga raha jerena amin’io, ka ny Fanjakana Foibe no handidy sy hanapaka amin’ny hetran-trano. Mandeha izany ny fomba rehetra hitangirihana vola kanefa ny tamberin'andraikitra tsy hita. Hasiana hetra 0,5% ny fifindram-bola amin'ny finday, tsabahana ny hetran-trano,... Ny fitantanana anefa tsy manjary, manjaka ny kolikoly raha tsy hilaza afatsy ny resaka lalana, ny afera maloto amin'ny tsenambaro-panjakana,...
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap