tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Politique

Fitondrana Rajoelina  Ny programa manjavozavo  Ny ekipa tsy mahavita azy

Tsy vitan’ny fampanantenana mirarakopana sy fikarohana zava-baovao hitarihana na hanodinana ny sain’ny olona ho resy lahatra hatrany amin’izay ambara no antsoina hoe :

04-nov-2022

Sample post image

fampandrosoana firenena», fa tena mila mpitarika (leader), vina mazava mifandraika amin’ny filan’ny vahoaka, fandaharan’asa mafonja sy maharesy lahatra, ekipa hiara-hanatontsosa, vola hoenti-manatanteraka, paikady mahomby hoenti-miasa, asa, serasera,… Mila mason-tsivana mazava sy tondro handrefesana ny asa fohy ezaka , antenantenan’ezaka, lavitr’ezaka. Mila faritana mazava hoe : inona no tena laharampahamehana fa tsy miovaova isaky ny mihetsika, na taitaitra sy manonofy ao dia hoe : hanafatra biby tsy fahita eto isika, hanao Miami isika, hanao kianja sy ivon-toerana goavana satria nahomby ny ekipa izatsy na izaroa,... Any amin’ny fandrafetana ny tondrozotra na progarama no miomana ny amin’ny zavatra mety hitranga sy ny fivoaran’ny tontolo. Ny lalampanorenana Amerikanina izao tsy niovaova izany, fanitsiana araka ny fivoaran’ny tontolo no natao, fa tsy hoe: izao no metimety amiko sy tiako atao indray dia terena hanaraka izay tiana ny lalàna, fa ny olona no tokony hanaraka azy. Mipetraka foana ny hoe izao no mahasoa ny vahoaka sy ny firenena, izany no mbola mampatanjaka azy. Ho antsika Malagasy : vahoaka noana, marefo ara-pahasalamana, tsy ampy fanabeazana sy fampianarana, sahirana amin’ny fivelomanana,… Fizarazana PPN isaky ny mihetsika ve no vahaolana amin’izany? Ny olombelona aloha izay vao ny fotodrafitrasa. Mila faritana ny hoe : fandrosoana ho antsika Malagasy mba tsy ho lasa haingo ambony tsikoko ny lazaina fa fampandrosoana. Manana asa ve ny olona ? Misakafo ara-dalàna ve ny vahoaka ? Mahavita mitsabo tena araka ny tokony ho izy ve raha marary ? Afaka mianatra ara-dalàna ve ny zavana-bahoaka? Ny eto indraindray toa entina amin’ny kitaitaitra, tahaka ny hoe: nanofy tao am-pandriana dia ataoko izao sy izao ka toa tsy hay na adino fa firenena anatin’ireo dimy mahantra indrindra anie isika fa tsy firenena sangany any Eoropa. Tsapa fa any amin’ilay fomba fiasa mihitsy no olana, tsy mazava amin’ny ekipa ve hoe: mankaiza sy mankaiza ny lalana, inona no atao? Ny vina sy programa tsy marin-toerana sy miovaova be mba tsy hilazana fa poakaty. Niainga IEM, Velirano, PGE, Plan Marshall, PEM,…

TSY MANAIKY HO DISO, MAMENO PAOSY
Be vava, miavonavona, manambany ny hafa, manana toetra tsy manaiky ho diso, manilika andraikitra lava, manararao-pahefana,… Mety midina manaraka ny lalan-tsaina sy ny sitrapon’ny lehibe na ireo heverina fa atidoha tokony ho mpanitsy aza. Lasa misolelaka ny ankamaroany, ary manao izay hihinanany, manararaotra mameno paosy sy valizy satria mandalo ny toerana, ka tsy te hiraharaha izay tombotsoam-bahoaka any intsony. Vokany, nitombo be ny kolikoly, fanodinkodinana volam-panjakana, fanohintohinana ny fahafahana maneho hevitra,... Aiza moa ny mpiara-miombon’antoka no hazoto hampiasa vola be eto? Ambinkambina famatsiam-bola no azo fa tsy mety mahazo bolongam-bola be. Hafa ny Fampanantenana, fa hafa mihitsy ny hoe iny fa azo ilay vola dia io fa mandeha ny asa. Manandrakandrana satria na izy tenany aza mety tsy resy lahatra sy tsy mahatoky, ka ny serasera sy ny fampanantenana no atosaka lava, fa ny fivoarana ho an’ny isam-batan’olona miha miiba. Tsy atao mahagaga isika raha any amin’ny faha-171 amin’ny 190 ho an’ny tondro momba ny fivoaran’ny olombelona na ny IDH, faha-149 ho an’ny ady amin’ny kolikoly.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»
02-juin-2023

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

Card image cap
5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika
02-juin-2023

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

Card image cap
Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio
02-juin-2023

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

Card image cap
Antoko politika Matsilo «Na ny fitondrana aza mahita fa tsy amin’ny izy ny fitantanany»
02-juin-2023

Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»
02-juin-2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Card image cap
Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»
02-juin-2023

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

Voir plus