airtel

Politique

08-nov-2022

Politique

Fitondrana tsy mahavita azy Mieritreritra mbola ho lany anaty delestazy

Sample post image

Orinasam-panjakana tokony hanjaka tokana eto amin’ny firenena satria hany mamatsy jiro sy rano eto Madagasikara ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA, hoy ny mpanao politika

08-nov-2022

Alain Andriamiseza, kanefa dia banky ropitra na “faillite” amin’izao fotoana izao. Madagasikara ihany, hoy izy, no mahavita izany. Ny oktobra 2021, raha tsiahivina, no azo lazaina ho isan’ny sedra voalohany natrehin’ny minisitry ny angovo sy akoran’afo vaovao, Andry Ramaroson, dia ny mikasika ny trosan’ny orinasa mpamatsy solika Jovena amin’ny Jirama. Nilaza moa ny minisitra tamin’izay fotoana izay fa mbola mila fitsirihana sy mila fantarina ny anton’izany. Tetsy ankilany koa anefa dia isany novoizina taty amin’ny jolay 2022 taty ny fananan’ny JIRAMA 210 miliara Ariary amin’ireo mpanjifany. Maro ireo mpanjifa velom-panontaniana manoloana ny delestazy mampikaikaika manerana ny nosy ankehitriny hoe tsy efa afa-trosa ve izany ny vahoaka malagasy? Mahaleo ny sarany ve ny vidin’ny faktioran’ireo vahoaka mpanjifa jiro sy rano amin’ny JIRAMA? Natao inona daholo izany ilay fanampiana na “subvention” maherin’ny 500 miliara Ariary omen’ny fanjakana malagasy ity orinasa ity raha toa ka mbola andrasana amin’ny taona 2028 ny vahaolana tanteraka amin’ny delestazy? Ny janoary 2022 no nampanantena ny filoham-pirenena fa 6 na 8 volana fara faha elany anefa no mivaha ny delestazy saingy iny niaraha-nahita fa nivadi-dela nandritry ny kabariny teny Ivato iny indray moa. Tsy averina intsony ireo fampanantenana hafa ankoatran’ny angovo toy ireo notanisain’ny depiote Fetra Ralambozafimbololona farany tahaka ny Tanamasoandro, ny fonenana miisa 50.000, ny Flyover sy ny maro hafa. Nofintinin’ity filohan’ny parlemantera TIM ity tamin’ny hoe tsy sambany nampanantena adrisa ity fitondrana ity moa izany. Ireo rehetra ireo fotsiny dia efa santionany maneho fa fitondrana tsy mahavita azy nefa dia mbola miheritreritra ny ho lany ao anaty delestazy ity fitondrana ity.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap
15-mai-2025

Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny

Card image cap