airtel

Politique

23-janv-2024

Fitondrana tsy mahomby

Takonana amin’ny kely vita ny be tsy natao

Sample post image

Miditra ao amin’ny fe-potoam-piasana faharoa ny fitondrana Rajoelina !

23-janv-2024

Efa taom-piasana fahatelo mihitsy aza miaraka amin’ny tetezamita 5 taona. Miiba ny fitantanana tao anatin’izany tamin’ny ankampobeny na ekena aza fa nisy ireo zavatra nireharehana mafy fa natao. Ny sary nitranga hatramin’izay aloha dia toa nentina tamin’ny kitaitaitra sy ny haingam-panahy ny firenena, ka arakaraka izay zava-miseho no hilalaovana ny serasera politika. Betsaka no nampanantenaina tsy vita, ary mbola adihevitra ny hoe : mifanaraka amin’ny filan’ny firenena sy ny tadiavin’ny vahoaka ve ? Raha tarafina amin’ny toekarena ankampobeny eo amin’ilay «macroéconomie » sy « microéconomie » dia miha rendrika i Madagasikara. Porofo iray mivaingana ny filaharan’i Madagasikara eo amin’ny fivoarana sy fanovana ara-toekarena teo anelanelan’ny 2000-2020. Tsy manana naoty afatsy 16,3/100 ka any amin’ny laharana faha-27 amin'ny firenena 30. Ny Nosy Maurice anefa manana isa 59,1 ary mipetraka eo amin’ny laharana faha-5. Ny resaka faharisihan’ny mpampiasa vola mbola betsaka ny olana raha tarafina amin’ny zava-misy. Raha ny fanasokajiana ny taona 2020, dia tany amin’ny laharana faha-161 amin’ny firenena 190 i Madagasikara, raha toa ka tany amin’ny 2012 taonan’ny tetezamita aza mbola tany amin’ny faha-137. Tsy mahatoky antsika amin’ny lafiny maro ny mpampiasa vola sy ny mpandraharaha hany ka zara raha misy ny IDE (Investissement Direct Etranger) izay tokony hanome aina ny famoron’asa. Antony maro no mahatonga an’io : fanjakan’ny kolikoly, tsy fahamarinan-toerana ara-politika, ny olana ara-angovo izay sady mitsipozipozy no mbola lafo, ny kolikoly sy fitakiam-bola mihoampampana toy ireny raharaha « Gemfields » nisamborana an’i Romy Randrianarisoa Tale Kabinetra teo alohan’i Andry Rajoelina ireny, fahasarotana ara-panjakana,… Sady efa tsy mahavaha olana ny Fanjakana no mbola tsy atokisana no tsy mahafehy ny tokony ho laharampahamehana.
FIHETSIKETSEHANA IVELANY NO HANAKONANA NY TSY FAHOMBIAZANA
Tsy tena nametraka ho zava-dehibe ny politikam-pamokarana mba hampihenana ny fanafarana mandany vola, ny tena ady amin’ny fahantrana, ny fampiakarana ny harin-karena,… hany ka mitombo ny fahasahiranana, miha mahantra ny vahoaka, milentika ny toekarena. Miteny ho azy ny tarehimarika iraisam-pirenena mikasika an’i Madagasikara. Ny toa fomba fiasa dia ezahana takonana amin’ny kely vita ny be tsy natao sy tsy vita hatramin’izay. Ny serasera no lalaovina, hany ka ny fahita dia vao fanombohana tetikasa iray dia ny fihetsiketsehana ivelany no mipoapoaka : fanombohana ny orinasa mpanao ethanol fa mby aiza izy izao ? Fety be nanombohana ny RN13 fa firy isan-jato no tontosa ? Fety aman-danonana nitrongisana sy nanotofana tanimbarin’olona tamin’ny fanamboarana « Autoroute » Antananarivo-Toamasina dia firy kilaometatra izao no vita ? Fitokanana ny LMOI orinasa vahiny tao Toamasina nampanantenana fa hihena 15% ny vidin’ny lafarinina eto Madagasikara,… Io ihany koa fa raikitra ny hoe : tetikasa Ankohonana Miarina izay mipoapoaka tanteraka ny serasera amin’ny hoe ady amin’ny fahantrana ka ho tonga hatraiza ? Ho avy ihany koa ny fitokanana ny teleferika atsy ho atsy ka ireny no ezahina lalaovina ara-tserasera ny fahavitany tahaka ny natao tamin’ireo kianja, hopitaly manara-penitra, lapan’ny tanàna, ampahana lalàm-pirenena vita,… Amin’ny ankampobeny anefa, milentika hatrany ny firenena hatreto, ratsy tantana i Madagasikara, mitotongana ny toekarena, sahirana ny sarambabem-bahoaka,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap