Ranomasimbe Indianina andiany faha-5, izay fanintelony no hampiantranoantsika taorian’ny 1991 sy ny 2005. Efa tonga eto Madagasikara ireo Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana hanatrika ny Fivoriambe faha-5 an’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina. Nisantatra izany afak’omaly ny Filohan’i Seychelles Wavel Ramkalawan sy ny vadiny Linda Ramkalawan. Efa tonga ny Praiminisitr’i Maorisy, Dr. Navinchandra Ramgoolam, miaraka amin’ny vadiny, Ramatoa Veena Ramgoolam. Tonga ihany koa ny Filohan’ny Vondron’i Kaomôro, AZALI Assoumani, miaraka amin’ny vadiny, Ramatoa AZALI Ambari. Efa eto ihany koa mazava ho azy ny Filohan’i Frantsa Emmanuel Macron sy ny vadiny, Ramatoa Brigitte Macron. Asa na hiatrika manontolo ny fotoana ny Filoha Frantsay mivady na hanao ahoana eo anatrehan’ny fiovan’ny fandaharam-potoanany izay tsy maintsy handeha hiatrika ny fotoam-pandevenana ny Papa François ? Efa nofoanana ny diany makany Maurice ho an’ny rahampitso 25 aprily ? Inona no andrasan’i Madagasikara amin’ny Fivoriamben’ny COI ? Ara-politika sy jeopolitika, tsy tongatonga ho azy ny fahatongavan’ny Filoha Frantsay eto hiatrika izany, tsy mandehandeha ho azy ny safidin’ny lohahevitra izay ny resaka fandriampahalemana aty amin’ny fari-dranomasina Indianina no isan’ny lohalaharana na eo aza ny resaka fahaleovan-tena ara-tsakafo ? Hitondra rivo-baovao ho antsika sy mba hakan’ny mpitondra lesona ve hoe : isika no Firenena goavana, manana harena stratejika samihafa be indrindra,… kanefa isika no Firenena fadiranovana indrindra amin’ireo 5. Eo amin’ny 500 dolara ny harin-karena isam-batan’olona ho an’ny Malagasy raha efa mananika ny 17 000 dolara ny an-dry zareo Seychellois, ary 12 000 dolara ny atsy Maurice. Midika fa milamina sy manan-karena lavitra noho ny antsika ny mponina any. Marina fa isan’ny noresahan’ny Filoha Malagasy ohatra herinandro lasa ny hoe : atsy La Réunion dia efa mila Visa, ka eo ny zavatra iadiavana hoe : ireo olona izay manana ny antony amin’ny fifanakalozana na ara-koltoraly toy ny artista na ny mpandraharana, dia tokony havela handeha malakaka sy misy fahasarotana any La Réunion. Lazaina fa tombony ho antsika ny lohahevitra fahaleovan-tena ara-tsakafo ka nilazan’i Andry Rajoelina hoe : Ahoana no ahafahana mieritretritra hoe ny ao amin’ny Nosy Maurice dia manafatra katsaka avy any Argentine nefa Madagasikara eto akaiky eto afaka mamboly katsaka satria tsy manaraka ny fenitra ny fambolena eto. Izay no ilana fiaraha-miasa mba hiara-mizotra amin’ny fampandrosoana ny aty amin’ny Ranomasina Indianina. Taiza izany no tsy natao sy tsy notrandrahana hatrizay ? Moa natao laharam-pahamehana ny famokarana ? Moa mba nahay naka lesona tamin’ireo Nosy manodidina ?
Toky R
Raikitra indray ny fanamboarana serasera sy fanehoana fa tena akaikin’ny vahoakan’ny Fitondrana Rajoelina.
Haka fahefàna sy hitondra firenena no tanjon’ny antoko politika, hoy ny antoko politika Fanare.
Toy izao ny fomba nialan’i Kolonely Patrick Rakotomamonjy tao amin’ny Toby tamin’ny
Hanao filankevitry ny Minisitra mitety faritra indray ny Fanjakana Rajoelina amin’ity anio alarobia 13 mey 2025 ity,
Tsy any amin’ny hoe harena tokony ho trandrahana loatra ny Base Toliara
Ny « Directeur de la Police Judiciare » na DPJ eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena Colonel Tahiana Ravelomanana