airtel

Politique

25-févr-2022

Politique

Fivorian’ny mpanolotsaina Tsy tonga nanatrika ny ben’ny tanàna

Sample post image

Manatanteraka fivoriana tsy ara-potoana faharoa ireo mpanolotsain’ny tanàna Antananarivo izay atao amin’ity taona 2022 ity. Fivoriana izay haharitra telo andro.

25-févr-2022

 Tsikarik’ireo mpanolotsaina fa tsy nipoitra hanotrona ity fihaonan’ireo mpanolotsaina 55 mianadahy ny ben’ny tanàna izay mpanatanteraka. Teboka maromaro izay arahina fanontaniana no niandrasan’ireo mpanolotsaina valiny amin’ny ben’ny tanana mifantoka amin’ny fampandrosoana ny tanana. Tsy afaka nametraka izany ireto farany. Raha ny fantatra dia sahirana arak’asa ny ben’ny tanàna andriamatoa Naina Andriantsitohaina raha ny tatitra azaon’ireo mpanolotsaina izay andro nanohizana ny fivoriana tsy ara-potoana. Ny mpanolotsaina iray izay tafaresaka taminay aza nilaza fa tsy afaka mandray anjara fitenena izy raha tsy eo ny ben’ny tanana izay voafidim-bahoaka satria olam-bahoaka no tiany hametrahana fanontaniana amin’ity farany izay nandrasana tsy tonga. Ny filohan’ny filan-kevitra monisipaly ary ireo lehiben’ny sampan-draharaha eo anivon’ny kaominina ihany no niatrika nivantana ireo mpanolotsaina tanana . fehi-kevitra maromaro no hodinihan’ireo mpanolotsaina tanana mandritran’ny fivoriana tsy ara-potoana io. Ny fomba fampidirana rano izay atao ny fanalefana azy, ny fanomezan-dalana sy ny fanara-maso amin’ny fanorenana trano eto an-drenivohitra ary ny raharaha mikasaika ny fako no anisany ho velabelarina mandritran’ny fihaonana.
Tolin
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap
16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap