airtel

Politique

15-janv-2024

Fizarana seza sy fandaniam-bola

Hanangana Sekretariam-panjakana miisa 7…

Sample post image

Nahena ny departemanta minisiterialy, fa nampiana ny sekreteram-panjakana eo

15-janv-2024

anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika, raha ny nambaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Miisa 7 eo izany, ka hametrahana Sekretariam-panjakana ny: fampidirana jiro eny ambanivohitra sy isan-tokantrano. Tanjona ny hahafa 60% na manodidina ny tokantrano no hisitra herinaratra. Io no hisahana ny fizarana ny « hazavana ho anao » isaky ny tokantrano tsy manana jiro, ka hovitaina ao anatin’ny herintaona, hoy i Andry Rajoelina. Hisy ihany koa ny Sekreteram-panjakana miandraikitra ady amin’ny fahantrana, hijery ny resaka fanomezana trano, titre vert,… Sekreteram-panjakana misahana ny fanjarian-tsakafo ; hanaparitaka ny fizarana zezika sy masomboly. Sekreteram-panjakana misahana ny « Plan et économie ». Sekretariam-panjakana misahana ny Tanora sy ny ady amin’ny zava-mahadomelina. Sekretariam-panjakana miandraikitra ny « Digitalisation » hametrahana ny hahafahana miditra amin’ny « digitalisation » eo amin’ny fikirirakirana ny taratasim-panjakana. Sekretariam-panjakana, Varotra sy fanjifana. Anisan’ny hametrahana izany ihany koa ny asa tànana,... Vitsy ny olona miasa ao, eo amin’ny 20 na 15 fa raha minisitera dia lasa manana talem-paritra, hoy ny fanazavan’i Andry Rajoelina. Rehefa zohiana, endrika fizarana seza ihany io, ary mitady hifanaloka amin’ireo Minisitera ihany rehefa zohiana. Mila vola be ihany koa ny fanodinana izany, ary rehefa zohiana, dia endriky ny fizarana seza ihany, fa tsy hanomezana sary fa nitombo ny rafitry ny governemanta no hanasarahana azy.
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap