Raikitra ny fizaran-javatra tamin’ny endriny samihafa natomboka any amin’ny Faritra Boeny, tao amin’ny Kaominina Ankaboaka. Ity toerana ity izay isan’ireo voalaza fa tena lasibatry ny rivodoza. Minisitra maromaro no niara-dia tamin’ny Filoha, toy ny Minisitry mponina, minisitry ny fambolena, minisitry ny atitany, minisitry ny fampianarana ambony,… “Dibo-drano ireo toerana rehetra, namela takaitra mafy ny rivodoza, betsaka ny voly potika, ka tsy afaka ny hojerem-potsiny. Tsy maintsy jerena ny fomba afaka hifanampiana. Tsy maintsy havotana ireo voly simba”, hoy i Andry Rajoelina. Nanome fitaovana sy masom-boly ny tantsaha tsy an-kanavaka nanana voly simba. “Raha tiantsika ho avotra i Madagasikara, raha tiana havotana ny sompitr’i Madagasikara dia tsy maintsy mifanavotra. Tsy maintsy havotana ny tantsaha. Nomena masom-boly 20kg isaky ny hekitara ho an’ny voly simba”, hoy hatrany i Andry Rajoelina. Nomena vary 1 gony avy, menaka 1 litatra, ary siramamy, voamaina, akanjo,… isaky ny tokantrano ny rehetra. Nandeha ihany koa ny fizarana hani-masaka nentina nanehoana fa tena akaiky sy mamahana vahoaka ny Filoha ankehitriny. Nisy ihany koa ny fizarana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, izay efa tsara omana ny fonony izay miloko volomboasary sy misy ny sary famantarana an’i Andry Rajoelina, izay toa efa tandindon’ny pi-maso amin’ny fifidianana. Volam-panjakana no laniana amin’ireny, saingy salorana ny loko politikan’ny Filoha. Tahaka izany ihany koa ny moto ho an’ny ben’ny tanàna, ary fitaovam-pambolena izay tsikaritra ny fisian’ny sary famantarana toa maneho fa avy amin’ny mpiara-miombon’antoka.
NY SOMPITR’I MADAGASIKARA NO HIZARANA VARY
Tena mivadika ny glaoby ankehitriny satria tany mamokatra indrindra, sopitra ara-bary faharoa eto Madagasikara izany no lasa vatsiana vary izay heverina fa nafarana avy any ivelany. Teo ny hoe: fahasimban’ny voly izay mandalo ihany, fa somary mampanongo tena ihany ny zava-misy. Hatramin’izay ihany koa tsy hita izay tena politika mazava momba ny famokarana, fa efa akaiky fifidianana vao mandeha ny pi-maso amin’ny endriny maro sy ny fizarazaran-javatra arahina serasera manaka-danitra mba hanehoana fa tena mijery ny sosialim-bahoaka. Hipaka hatraiza ary rahoviana vao hisy vahaolana maharitra hositrahan’ny Malagasy 27 tapitrisa fa tsy vonjitavanandro hatrany? Ny zavatra hita teto hatrizay mantsy toa rehefa misy zavatra mipoitra sy olana mitranga vao hanaovana fihetsika mipoapoaka sy serasera goavana hoe: inty aho, indreto izahay fa mijery ny vahoaka amin’ny alalan’ny fizarazaran-javatra, toa efa fitsinjovana ny propagandy sy ny fifidianana ho avy sahady.
Toky R
Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.
Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,
Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia
Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,
Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.
Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,