Efa nambara foana, hoy ny FLN na Front de libération national, fa tsy niomana hitondra firenena ary tsy niomana hitantana izany fikaonandoham-pirenena izany izao fitondrana izao. Tsy mahagaga, noho izany, hoy ny mpandrindra nasionalin’izy ireo, Iada Jean Pierre, raha miantona ny fitantanana ilay fikaonandoham-pirenena. Mila fiomanana io, hoy izy. Hatramin’ny androany dia voamarina eny amin’ny fokontany fa tsy mbola misy izay fiomanana izay na amin’ny lafiny fotodrafitr’asa handraisana ilay fikaonandoha na fotodrafitr’olona handrindra azy. Ny governemanta misy koa rehefa jerena dia tena manao fitantanana krizy fotsiny ihany fa tsy mitantana firenena na manatanteraka ilay hoe «gouverner c’est prévoir» na fitsinjovana ny ampitso no atao hoe mitondra. Mitantana fotsiny izy izany ialana amin’ny olana misy rehetra ankehitriny. Rehefa mijery an’izay dia azo antoka ny mety mbola fihemoran’io fikaonandoham-pirenena io ary mety ilay governemanta mihitsy no hiova satria governemanta tsy niomana amin’izany no tafapetraka. Samy miasa ho an’ny tenany ilay governemanta ankehitriny. Samy miasa ho an’ny minisitera misy azy tsirairay fa tsy misy fiomanana miaraka mihitsy ho amin’ilay fikaonandoham-pirenena, izay mahakasika ny minisitera rehetra ny fanovàna rehetra tiana apetraka sy ny petra-kevitra rehetra tiana apetraka ao anatin’izany. Mbola tsy mazava hatreto hoe manao ahoana no tokony ho fipetraky ny vola ho laniana amin’io fikaonandoha io? Rehefa tsy mipetraka izay dia ho sarotra ho an’ny FFKM ny handroso, eny fa na ny fotodrafitr’asa rehetra, satria ny vinavinan’ny vola tokony ho laniana no ahafahany koa manomana hoe endriny manao ahoana no azo anaovana ilay fikaonandoha? Governemanta hametraka amin’ny ara-dalàna ny filoham-panjakàna no tokony ho apetraka! Izany hoe manana ny ara-drariny na «légitimité» satria tsy ho «légal» na ara-dalàna mihitsy izay hipetraka eo, noho ilay rafitra ivelan’ny lalàmpanorenana. Governemanta afaka mijery ny fomba hametrahana ny repoblika manaraka no tokony hipetraka eo no dikan’izay. Olona mivonona amin’izany, manana traikefa sy hevitra amin’izany, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija