airtel

Politique

17-janv-2025

Front de libération national

«Vao mainka hanakatona bebe kokoa ny famatsiam-bola izao zava-misy izao»

Sample post image

Tsy natao hanakorontana na hanimba zavatra ny fanoherana, hoy ny antoko politika FLN na «Front de libération national».

17-janv-2025

Natao hampirindra ny fiarahamonina sy ny fiainam-pirenena araka ny tokony ho izy ny fanoherana, hoy ny mpandrindra nasionalin’ity antoko ity, Iada Jean Pierre, kanefa anjaran’ny mpanohitra koa no mampahafantatra an’izao tontolo izao sy ny rehetra fa tsy tena afaka ekena loatra ny voka-pifidianana izay miseho ankehitriny. Zava-dehibe ary tadiavin’ny mpanohitra, hoy izy, ny hahatonga ilay fifidianana ho eken’ny rehetra. Tafiditra ao anatin’izany rehetra izany hatramin’ny mpamatsy vola sy mpampiasa vola. Nandefa mpanara-maso nefa ireo nijery ny fizotry ny fifidianana ary nahita koa fa tsy manaraka ny tokony ho izy ilay fifidianana. Ny dikan’izany dia tsy misy na inona na inona ho antenaintsika izany raha ny mikasika ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany vokatry ny faharatsian’ny fifidianana teto. Hatramin’ny 2009 dia fantantsika tsara fa nihidy ny «robinet» na hoe famatsiam-bolan’ireo mpamatsy vola ireo. Vao mainka hanakatona bebe kokoa ny famatsiam-bola izao zava-misy izao satria tsy azo antoka ny famatsiam-bola eto Madagasikara noho ilay fifidianana tsy azo antoka. Tsy afaka ho eken’ny rehetra ilay voka-pifidianana ary ireo mpampiasa vola vahiny mihitsy no tena tsy hankasitraka sy tsy manaiky ilay fahamarinan’ilay fifidianana. Izy kosa aloha tsy afaka hiteny amintsika hoe tsy ekeny ilay voka-pifidianana, ka noho izany, raha mbola mitohy ohatran’izao foana izany ny fiainam-pirenentsika dia tsy ahazo fanampiana na aiza na aiza intsony isika afa-tsy ireo izay tena iankinan’ny aim-bahoaka toy ireny iarahantsika mahita hoe «Vatsy tsinjo» sy «Tosika fameno» ireny, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.

Card image cap
07-févr-2025

Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny

Card image cap
07-févr-2025

Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana

Card image cap
07-févr-2025

Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny

Card image cap
07-févr-2025

An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,

Card image cap
06-févr-2025

Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo

Card image cap