airtel

Politique

13-févr-2024

Front de libération nationale

Nanaporofo fa tetezamita izao fitondrana izao

Sample post image

Tsy misy izany 100 andro izany ho ana governemanta efa niasa nandritry ny 5 taona,

13-févr-2024

hoy ny vondrona politika FLN na «Front de libération nationale». Fandrebirebena sain’olona fotsiny izany 100 izany, hoy ny filohan’izy ireo, Iada. Ny filoham-pirenena efa teo 5 taona. Ny praiminisitra maherin’ny 5 taona. Ny governemanta efa teo. Ny resaka fakon’Antananarivo renivohitra izao miseho mahavita azy ankehitriny ny governora sy isan-karazany dia olana efa tao amin’ny Mapar nandritry ny 5 taona io. Tsy ny fanalana ny fako ao anatin’ny 1 na 2 akory no inona satria azo atao tsara mandefa kamiao miisa 100 hanala an’ireo fako ireo anatin’ny 1 andro. Tsy midika fahaizana miasa akory izany na hoe nahavita azy satria ny fahaizanao nandritra ny fanalana fako tao anatin’ny 5 taona sy ao anatin’ny 5 taona manaraka, izay no zava-dehibe satria ny fako tokony hiala isan’andro isan’andro! Efa misy ny hetra natokana ho an’ny fako isan-trano na «impôt ménagère». Tsy manana olana analana ny fako izany ny kaominina no dikan’izany satria matoa misy ny fako dia efa voaloha ny vola analana azy. Ny fahaiza-mitantana no tsy ampy eo amin’ny fitondrana ny firindran’ny asa. Izany no olana satria ny filoham-pirenena no mitantana ny vola rehetra itondrana ny asa dia mazava ho azy fa tsy misy afaka ny fako, tsy vita ny lalana, tsy vita ny zava-drehetra. Ny fitondrana nofidiana ny taona 2018 dia tokony nifarana ny 19 janoary 2024. Ny 19 janoary teo no tokony handray fahefana ny filoham-pirenena voafidy farany teo. Nisy fanonganam-panjakana natao nefa teto ny 16 desambra 2023 satria nofaranana tsy tonga hatramin’ny farany ny fahefan’ilay filoham-pirenena teo aloha izay tokony nifarana ny 18 janoary 2024. Fahefana tetezamita izany no napetraka ny 16 desambra 2023. Fitondrana tetezamita no mijoro ankehitriny, ho anay. Miasa tsy mifanaraka amina lalàmpanorenana izy rehefa izay. Ireny hitantsika rehetra tsy misy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ireny no asa ataony. Na ny rafitra apetrany ankehitriny aza dia manalasala ihany satria misy ny minisitra ary misy koa izany atao hoe sekreteram-panjakana eo amin’ny fiadidiana ny repoblika, izay zavatra tsy fahita na aiza na aiza. Mbola mianki-doha ara-panapahan-kevitra lehibe amin’ireo mpamatsy vola na vondrona iraisampirenena i Madagasikara. Sarotra be ny andraisanao fanapahan-kevitra rehefa fitondrana tetezamita tahaka an’io satria tsy mahazo ny fankatoavan-drizareo ny zavatra ataonao na tsy mahazo vola mihitsy. Ny asa tao amin’ny tetezan’ny Mangoro izao dia isaorana fa raha tsy ry zareo japoney tsy vita. Isika izany tsy hahavita na inona na inona mihitsy. Ny dikan’izany, raha tsy miverina amin’ny fahefana tan-dalàna manaraka ny lalàmpanorenana i Madagasikara dia tsy ho mora mihitsy ny mandray fanapahan-kevitra, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap
14-mai-2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

Card image cap
14-mai-2024

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

Card image cap
14-mai-2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

Card image cap