airtel

Politique

01-sept-2023

Front de libération nationale

“Omeo fahefana ara-dalàna ny FFKM”

Sample post image

Ankehitriny ny tenako dia filohan’ny FLN na “Front de libération national”, hoy Iada na Ramiaramanana Jean Pierre, fa teo aloha aho efa talen’ny fampielezan-kevitry ny antoko politika Mamafisoa.

01-sept-2023

Fantatro tsara, hoy izy, ny olana mianjady amin’ny fifidianana ankehitriny satria ny olana misy amin’ny fifidianana rehetra izao dia olana efa nisy tamin’ireo fifidianana teo aloha ary efa nanaovanay fitarainana. Maro mpanohana izany ankehitriny satria ireo olona niaraka tamin’ny fitondrana tamin’izany no ankehitriny mirotsaka. Tamin’izany ireo nilaza fa mety io lalàm-pifidianana io. Mianjady aminy ilay izy ankehitriny dia tsapany tsara ny tsy mampety azy satria hahafahan’ilay mpitondra mivalampatra amin’ny raharaham-pifidianana rehetra. Isany ireny hoe tsy fahafaha-mampiditra angidim-by na fahafahana manao izany nefa tsy maintsy hanaovana fampilazana 2 volana mialoha. Mila fantatra 2 volana mialoha ny mpitondra azy, ny tsy fahafahana manolo ilay mpitondra angidim-by raha toa ka misy tsy fahafahany tampoka, ny tsy fahafahan’ny mpitondra fanjakana mandrindra ny fifamoivoizana ana habakabaka mandritry ny fifidianana raha tsy amin’ny fotoana efa akaiky hanaovana fampielezankevitra ary misy fotoana aza ianao tsy afaka mandeha fa misy kandida laharam-pahamehana amin’ireny fotoana ireny. Zavatra efa nitondranay vahaolana tany aloha izany rehetra izany fa tsy nisy mpihaino satria olona niaraka tamin’ny fitondrana ny ankamaroan’ireo kandida ankehitriny ireo, izay nanda ny fanitsiana ny lalàm-pifidianana tamin’izany ary mangataka ny fanitsiana izany indray ankehitriny. Tsy mba isan’ny mihazakazaka any amin’ny fampiantsoan’ny FFKM, noho izany, ny FLN satria olana sy talaho efa natao hatramin’izao ka hatramin’izay no resahana ao. Ny tokony hiadiana dia ny mba hananan’ny FFKM fahefana ara-dalàna amin’ny fanapahan-kevitra raisiny eo. Omeo fahefana ara-dalàna ny FFKM! Niteny ny FFKM fa hanara-maso ny fifidianana. Fanaraha-maso no ataony fa tsy misy ankoatran’izay. Sarintsarina demokrasia, noho izany, no hiseho raha io lalana andehanantsika amin’izao io no hanaovana fifidianana. Misy mivoy hoe tokony hiditra koa ny finoana hafa fa tsy FFKM irery. Mivoana amin’ny fotokevitry ny FFKM anefa ny fampidirana finoana hafa ao. Resaka politika, fiainam-pirenena ity fa tsy fitantanana fiangonana eran’i Madagasikara. Ny FFKM aloha izao no elanelam-panahy na “autorité moral” mijoro eo fa ny hafa raha te hiditra dia heverina fa tokony hifanaraka aminy, hoy hatrany FLN.
J. Mirija Légende: Ny filohan’ny FLN
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap
16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap